airtel

Actualités

25-nov-2022

Actualités

Seranantsambon’I Toamasina Hiasa ny fiandohan’ny 2023 ny “scanner” miisa roa

Sample post image

Afaka hiasa manomboka amin’ny fiandohan’io taona 2023 io ireo “scanners” miisa roa apetraka ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina.

25-nov-2022

Hampiasaina hoenti-manatanteraka ilay fanamby “100% scanning” izay apetraky ny fadin-tseranana io, raha ny fanazavana nentin’ny Tale Jeneraly Zafivanonana Ernest Lainkana. Ny faran’ny volana desambra no heverina fa ho vita tanteraka ny asa fametrahana azy io. Handeha ho azy ary ho voatily manontolo avokoa ireeo kaontenera rehetra miala ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina mialohan’ny fametrahana fanambarana mikasika azy. Tafiditra ao anatin’ireo tetikasa 31 ao anatin’ny drafitra stratejikan’ny ladoany hahatonga azy ho maoderina kokoa hatrany moa io. Tanjona ny hanafainganana ny asa izay tombanana ho ao anatin’ny 3 ora monja dia vita, fa eo ihany koa ny fanatsarana ny fanaraha-maso eny amin’ny ladoany. Hahatratra hatrany amin’ny 75% ny tahan’ny fahombiazan’ny fanaraha-maso, raha ny fanamarihana. Nambara fa hivelatra amin’ireo seranantsambo rehetra iodinan’ny fifanakalozana iraisam-pirenena ity “100% scanning” ity, ka ho an’ny Seranantsambon’I Mahajanga dia efa am-perinasa io. Vinavinaina ho 4 786,16 milliards Ariary moa ny hetra anatiny ary 4 236,1 miliara Ariary kosa ho an’ny haban-tseranana ho an’ny taona 2023, raha ny voafaritra ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2023 na PLFR 2023. Raha ny tatitra nataon’ny Tale Jeneralin’ny fadin-tseranana tamin’ity herinandro ity. Nahatratra 2 816,9 miliara Ar ny vola nampidirin’ny ladoany Malagasy tao anatin’ny 10 volana voalohan’nyy taona 2022.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap