airtel

Actualités

29-juil-2025

SIPEM BANQUE AVARADRANO

Nifanakalo hevitra tamin’ireo mpandraharaha

Sample post image

Tontosa soa aman-tsara ny 24 Jolay lasa teo ny fihaonan’ny Sipem Banque tamin’ireo

29-juil-2025

mpanjifany sy ireo mpandraharaha miara-miasa aminy teny Analamahitsy Antananarivo Avaradrano taorian’ny dian’izy ireo tany Toamasina sy Antsirabe. Tanjon’ny fihaonana ny hisian’ny fifampiresahana sy fifanakalozana eto amin’ity banky iray ity sy ireo mpandraharaha entina hanatsarana ny toe-karena. Tsiahivina fa andiany faha-4 ity notanterahina ity. Fahombiazana tanteraka kosa no azo tamin’ny andiany fahatelo izay nampiakatra ho ambony kokoa ny fahavononan’ireo mpandraharaha hanao zavatra tsara hatrany sy hampitombo ny isan’ireo olona tokony hahazo asa. Ny 24 Desambra taona 2024 lasa teo no nanaovana izany teto an-drenivohitra. Nambaran’ireo mpanjifa sy mpandraharaha eny anivon’ny orinasa madinika sy salantsalany moa fa tena fahombiazana ho azy ireo ny fiaraha-miasa amin’ity banky iray ity. Sady mahazo traikefa mantsy izy ireo amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra sy fifampiresahana no mahazo fampihindram-bola entiny hanatsarana ny asa fihariany ihany koa. Tsy lafo koa anefa hoy izy ireo ny zana-bola alaina aminy. Misy ihany koa ny tolotra vaovao ao amin’izy ireo amin’ny fitehirizam-bola azon’ny rehetra hidirana.
Pati
Legende : Mihaona matetika amin’ireo mpandraharaha mpiara-miasa aminy tahaka izao ny Sipem Banque !
 

Dans la même rubrique

21-avril-2026

Ben'ny tanàna ny Vahoaka

Card image cap
21-avril-2026

10 volana izay no dify taorian’ ny

Card image cap
21-avril-2026

hoy ny ben’ny tanàna

Card image cap
20-avril-2026

amin’ny Fanjakana sy ny PTF

Card image cap
20-avril-2026

ny fanenjehana ny Mopera Pédro

Card image cap