Kaominina ambanivohitr’i Soaindrana, distrikan’i Vohibato. Raha araka ny vaovao azo tamin’ny sefom-pokontany Iharanany Ouest dia tokony ho tamin’ny 6ora hariva no nitrangan’izany, tao amin’ny tanàna iray ampitan'ny EPP Ambalamitsinjony, ampita atsinanan'ny rano. Ombin'ny mpandranto avy any Fotadrevo Ampanihy saika ho entina aty Antananarivo moa izy ireo. Efa tonga tany an-toerana nanao ny fizahana ireo polisy avy amin’ny FIP. Tsy maintsy novonoina tao an-toerana ihany moa ireo omby ireo raha araka ny loharanom-baovao azo. Tsiahivina fa mbola tena masiaka ny varatra any amin’ny faritra eny fa na dia ny etsy ivelan’Antananarivo renivohitra fotsiny aza. Ireny no baikon’ny sasany hikapana kitay raha misy ihany koa ireo mampiasa izany mba hamonoana olona na handripahana fananan’olona tahaka izao.
Pati
Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona
Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana
Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira
Hilatsaka hatramin'ny 3°C ny marimpana ambany indrindra ao Antsirabe
Fotoana izao anovana ny rafitry ny angovo eto Madagasikara, hoy ny mpandinika fiainam-pirenena,
Mitohy ny fandromban'ny mpijirika ny harem-pirenena Malagasy.