airtel

Actualités

19-avril-2023

Actualités

Soavinandriana Itasy Lehilahy iray no nanolana ny zanany moana sy marenina

Sample post image

Lehilahy iray no nanolana ny zanany vavy naterany, 17 taona, tao amin'ny kaominin'i Mananasy, distrikan'i Soavinandriana Itasy.

19-avril-2023

Manana fahasembanana io zaza io, hoy ny fampitam-baovao. Sady moana no marenina. Nandositra tany amin'ny nenitoany (rahavavin-dreniny), tany amin'ny kaominin'Ambohidanierana, efa ho roa volana izy. Io havany io no nandray andraikitra nametraka fitoriana teo amin'ny polisy ny 3 aprily. Nanadihady ny raharaha avy hatrany ny lehiben'ny kaomisaria Soavinandriana Itasy. Fantatra fa na mamo na tsia ilay rangahy dia manolana io zanany io. Entiny any an-tsaha, safoiny ny nonony ary tazoniny ny tanany. Mandositra ilay zaza ka antsoiny amin'ny baiko tanana mba hanao firaisana. Tsy manaiky anefa ilay zaza. Rehefa izany, ny alina indray, rehefa maty jiro, no anaovany ny filan-dratsiny. Efitra iray rahateo ny trano sady fatorian'izy 6 mianaka. Rehefa tsy azon'ilay rangahy avy ao aoriana dia azony ao aloha. Voalaza fa efa nisy fotoana tafahiaka ilay zaza. Taitra ny reniny sy ireo zandriny saingy matahotra tsy mahasahy miteny. Midaroka sy mamono vady ilay rangahy. Milefitra aminy moa matahotra ny havam-badiny ny renin'ity tsy manan-tsiny ity. Voamarin'ny mpitsabo fa simba ny mahavehivavy ilay zaza. Efa matetika ilay herisetra. In-1 kosa no tena nahavanona ny filàny ilay rangahy. Nanampy tamin'ny fihainoana ilay zaza ny mpandika teny avy amin'ny minisiteran'ny mponina. Ilay mpanolana kosa nandà ny heloka anenjehana azy. Sady tsy nanolana izy no tsy nanao herisetra tamin-janany, hoy ny filazany. Natolotra ny fampanoavana omaly izy mivady. Rangahy naiditra am-ponja vonjimaika, raha nomena fahafahana ramatoa notondroina ho niray tsikombakomba taminy, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap