Ny 5 amin’ireo karazan-tsokatra ireo no fantatra fa tsy fahita raha tsy eto amintsika toy ny Rere na Erymnochelys madagascariensis. Soka-dranomamy tafiditra ao anatin’ny lisitr’ireo karazan-tsokatra 25 tena atahorana ho lany tamingana vokatry ny fihinanana azy sy ny fahapotehan’ny toeram-ponenany izy io. Toraka izany koa ny angonoka na Astrochelys yniphora. Sokatra an-tanety avy any amin’ny tapany avaratra andrefan’ny Nosy indray ity farany izay fantatra fa efa vitsy dia vitsy tokoa. Toraka izany koa ny Sokake na Astrochelys radiata. Vokatry ny fitrandrahana ireo karazan-tsokatra ireo moa dia tafiditra ao anatin’ny lisitra menan’ ny IUCN izy ireo izay karazam-biby atahorana ho lany tamingana. Tokony hisy araka izany ny fiarovana azy ireo toy ny anakandria-maso izay tsiahivina fa efa misy manao laoka eny amin’ny hotely mihitsy ny sasany. Nankalazaina omaly talata 23 may ny andro manerantany ho an’ny sokatra.
Nangonin’i Pati
Legende : Hataon’ny sasany laoka ny sokatra ka tokony arovana
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny