airtel

Actualités

21-nov-2022

Actualités

Solika eto Madagasikara Tena tsy mety voafehin’ny Fanjakana…

Sample post image

Vinavinaina mety hiakatra ho 20% indray ny TVA (Taxe sur la valeur ajoutée) manomboka amin’ny 6 volana faharoan’ny taona 2023,

21-nov-2022

raha 15% izy ankehitriny, raha ny kajikajy miainga amin’ny volavolandalàna mifehy ny tetibolam-panjakana na PLFI 2023 . Mety hampiditra 48,54 miliara Ar ao anatin’ny kitapombolam-panjakana. Vao miresaka fiakaran’ny TVA dia efa ahiana hamofompofona fampiakarana vidin-tsolika. Hiankina amin’ny fivoaran’ny vidin-tsolika maneran-tany anefa io fanapahan-kevittra io. Tsara ny mampahatsiahy fa nisy ny fampidinana ny TVA ho an’ny solika ho 15% nanomboka ny tapaky ny taona 2022 noho ilay fiakarana midangana notapahan’ny Fanjakana sy ny orinasan-tsolika, ka lazaina fa nahatratra 34,7 miliara no vola tsy niditra tamin’ny kitapombolam-panjakana noho izany. Tao anatin’ity Fanjakana ity no tsy voafehy indrindra ny resaka vidin-tsolika satria tsy mbola fahita tao anatin’ny 60 taona izany fiakarana 43% isaky ny litatra izany, izay nisian’ny fiakarana 1500Ar sy 1800Ar tamin’ny volana jolay. Voalaza fa mbola ananan’ny orinasan-tsolika 237 hatramin’ny 247 miliara Ar ny Fanjakana raha ny kaonty tamin’ny volana mey 2022. Ny zava-doza eto, rehefa midangana ny solika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, miakatra avy hatrany ny vidiny eto, rehefa midina ny any, tsisy fidinany eto. Midika izany fa tsy mahomby sy tsy mahefa amin’ny adihevitra sy adivarotra ny manam-pahefana Malagasy. Mbola misy olom-panjakana toa manompa ankolaka ny olom-pirenena amin’ny filazana fa ny vidin-tsolika eto Madagasikara no ambany indrindra. Tsy te hahalala izay fari-piainana sy vola miditra amin’ny Malagasy, minia mikipy satria feno ny paosiny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap