airtel

Actualités

24-avril-2023

Actualités

Solika mavesatra ao Tsimiroro Tsy afaka ampiasaina sa tsy avela ampiasain’ny Jirama?

Sample post image

Miverina indray ny resaka olana amin’ny solika mavesatra hamatsiana ny Jirama, izay isan’ny antony mahatonga ny delestazy ankehitriny.

24-avril-2023

Tsy hita tabilao intsony ve ny tohin’ny fahafaham-mampiasa ny solika mavesatra an’ny Madagascar Oil avy any Tsimiroro efa tamin’ny 2016 no voalaza fa nahomby ny andrana? Ny Filoha tamin’izany Atoa Hery Rajaonarimampianina sy ny olon’ny governemanta maromaro mihitsy no tany Tsimiroro ary nomena ny Jirama ny voaloham-bokatra. Isan’ny ananantsika betsaka ny menaka mavesatra satria ny ao amin’ny Faritra Melaky fotsiny no voalaza fa 1,7miliara barila, ankoatra ny any Menabe,… Tany aloha dia efa nisy resaka fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Jirama sy ny Madagascar Oil, ary nifamahofaho teo ka tsy hita intsony ny tohiny hatramin’izao. Efa mampiasa ve ny Jirama fa isika no tsy maharaka? Sa kosa noboriboriana amin’ilay hoe: tsy mahavokatra ny ilain’ny Jirama afatsy 400 barila na 2000m3 isam-bolana ny Madagascar Oil kanefa mila 118 tapitrisa litatra na 721.000 barila isaky ny 6 volana ny Jirama? Voalaza anefa fa afaka mampitombo avo 8 heny amin’io vokariny isan’andro io ny Madagascar Oil, ary raha ny lahatsoratra an-gazety iray ny faran’ny may 2022 aza, dia naneho fa afaka mamokatra 50 000 barila isan’andro i Tsimiroro rehefa tena mampitombo ny famokarana, raha toa ka tsy mihoatra ny 4 000 barila isan’andro ny Filan’ny Jirama. Tafiditry ny politika avo lenta ve ity resaka fahafahana mampiasa ny solika mavesatra eto Madagasikara ity noho izy stratejika be? Tany aloha dia nandeha ny resaka fenitra ka nilazana fa tsy maintsy menaka mavesatra avy any ivelany no jifaina. Toa tsy dia mitombona io satria efa misy orinasa eto an-toerana manjifa io solika mavesatra vokarina eto io, tahaka ny Vakinankaratra. Mety misy bizinesin’olona goavana voakitikitika raha mampiasa ny solika mavesatra vokarina eto Madagasikara isika ka heverina ho isan’ny antony io satria raha lafiny ara-lojistika mikasika ho an’ny orinasa mpamokatra izany, dia azo heverina fa azo hatsaraina sy hampitomboina miandalana. Rehefa tena mazava ny fifanarahana amin’ny tena hanjifan’ny Jirama ny solika mavesatra eto, afaka manitatra ny fampiasam-bola na “investissement” ny mpamokatra hampiakarana ny tolotra, ary raha efa nisy resaka an’izany tany aloha. Tao anatin’izao fitondrana izao ihany koa, dia voatontonona na nampidirina tamin’ny raharaha “Apollo 21” ilay orinasa mpitrandraka solika mavesatra ao Tsimiroro ka sao isan’ny antony mampikatso ireny? Na inona na inona antony, dia iriana ny ahafahan’ny Malagasy misitraka ny harena eto tahaka io solika mavesatra io ka andrasana ny mety ho fanazavana avy amin’ny andaniny na ny ankilany hoe: rahoviana vao tena mba hositrahana hanamorana ny fiainana sy fahasahiranana eto io?
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-sept-2023

Namoahana fanairana na "Alerte orange" ny tafika, raha ny taratasy miparitaka eny amin’ny tambajotran-tserasera,

Card image cap
22-sept-2023

Nohavaozina tanteraka ny biraon’ny kaominina Ambohidrapeto, distrikan’Atsimondrano.

Card image cap
22-sept-2023

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany amin’ny distrikan’i Sambava roa volana lasa izay.

Card image cap
22-sept-2023

Lehilahy roa 43 sy 54 taona no nidoboka am-ponja rehefa tratra teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ,

Card image cap
22-sept-2023

Mitombo ny isan'ireo teratany vahiny hita ho mifampizara tsena amin'ny mpivarotra amoron-dàlana tato ho ato, raha ny vaovao niparitaka omaly.

Card image cap
22-sept-2023

Tsy mifidy tany ny fahaizana manazatra ny baolina kitra! Tena mamiratra any Seychelles i Tsiahavahana Solofo Ramarolahy.

Card image cap