airtel

Actualités

20-nov-2025

Solontenan’ny parlemanta rosianina

Hoavy eto Madagasikara

Sample post image

Noraisin’ny filohan’ny antenimieram-pirenena,

20-nov-2025

Siteny Randrianasoloniaiko, teny Tsimbazaza omaly ny ambasadaoron’i Rosia miasa eto Madagasikara, Andrey Andreev, raha ny fampitàm-baovao voaray avy amin’ny masoivohon’i Rosia eto Madagasikara omaly hariva. Fanamafisana ny firahalahiana eo amin’ny firenena roa tonta no isan’ny votoatin’ny fihaonana, hoy ny fanazavàna, ary tafiditra anatin’izany ny fifandraisan’ny samy parlemantera. Voaresaka ihany koa ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin’ny antenimieram-pirenena malagasy sy ny federasionin’i Rosia. Toy izany ihany koa ny fitsidihana hoavin’ireo solontenan’ny parlemanta rosianina eto Madagasikara atsy ho atsy. Tetsy ankilany, ny filohan’ny antenimieram-pirenena malagasy dia nizara ny olana sy ny fifanampiana iriany hisy eo amin’i Rosia sy i Madagasikara mikasika ny lafiny angovo, ny fambolena ary sehatra maro samihafa, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

ny miaramila sy tanora handoro toby mpihary herinaratra »

Card image cap
30-avril-2026

Tanora miisa 15 no indray

Card image cap
29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap