airtel

Actualités

16-août-2022

Actualités

Spaoro politika Hanamboatra “gymnase” mahazaka 8000…

Sample post image

Ankoatra ny nanolorana lelavola 5 tapitrisa Ar ho an’ny ekipam-pirenena Ankoay zazalahy, nampanatena Kianja mitafo vaovao na “Gymnase” mahazaka olona 8000 hovitaina mialohan’ny lalaon’ny Nosy 2023 ny Fanjakana

16-août-2022

Rajoelina taorian’ny fiafaran’ny lalao Afrobasket, araka ny hafatra voalaza fa nampitondrain’ny Filoha ny Minisitry ny fanatanjahantena Tinoka Roberto. Nambara mantsy fa tsy mahazaka afatsy 5000 ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Antony nambara fa nandraisana io fanapahan-kevitra io ny fisian’ny vahoaka nitandahatra sy tsy tafiditra omaly teny Mahamasina sy ny tsy hiverenan’izany amin’ny Lalaon’ny Nosy. Efa zary fahazaran’ity fitondrana ity ny mampanantena zavatra tahaka izao, rehefa misy ny fahombiazan’ny ekipam-pirenena satria efa nampanantenaina tahaka izao ny ekipam-pirenena amin’ny Rugby lalaovin’olona 7 izay tafita amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, nampanantenaina “dojo” ihany koa ny mpanao “judo” sy ny mpibata fonjam-by izay avy namiratra tany Afrika. Ny eo tsy vita, ny eo misisika ihany! Miharihary hatrany ny politikan’ny kitaitaitra sy ny kisendrasendra, ny fanaovana “recuperation politique” na fampalazana tena ara-politika amin’izay zavatra rehetra azo japiana amin’izany, eny fa hatramin’ny resa-pinoana aza. Raha resaka fampiroboroboana ny fanatatanjahantena: famerenana ny fampianarana ara-panatanjahantena na “sport etudes” sy ny fanohanana ny fifaninana isan’ambaratongany, fakana traikefa iraisam-pirenena sy fihaonana iraisam-pirenena,…. no ilaina fa tsy maika hanao “gymnase” etsy sy eroa, hoy ny fanehoan-kevitra. Mila maka ny hevitr’ireo manam-pahaizana ara-panatanjahantena, fa tsy mandeha amin’ny kisendraserandra. Mampanantena vahaolana hanangana izao sy izao rehefa misy fahombiazana azo japiana fa ny fahoriam-bahoaka an-taonany tsy misy hita sy tsy ahitam-bahaolana?
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap