airtel

Actualités

18-avril-2025

« STAR TOUR » AO ANTSIRABE

Hanomboka anio ny lanonambe hiatrehana ny Fetin’ny Paska

Sample post image

Hanomboka anio Zoma 18 Aprily ny lanonambe hiatrehana ny Fetin’ny Paska 2025

18-avril-2025

ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra. Haharitra 4 andro izany, hetsika efa fanaon’ny orinasa Star isan-taona ao anatin’ilay Star Tour Paques Antsirabe. Mpihira malaza amin’izao fotoana no hifandimby hiaka-tsehatra eo amin’ny Araben’ny Gara mandritra izany ahitana an’i Samoela, Reko fy & Band, Tence mena, Tempo gaigy, Lico kininike, Ckycky, Jaojaoby, miaraka amin’ireo mpanentana izay efa tsy zoviana amin’ny rehetra intsony toa an’i Eric & Honorat, Barhone ary Teg. Hisy ihany koa ny fanafanana lanonana iarahana amin’ny DJ nicky di manu, DJ looping, DJ sniper ary DJ Three T. Tsiahivina moa fa efa nanomboka ny 10 aprily teo ny fampidirana ny tanànan’Antsirabe ao anatin’ny fetin’ny Paska tamin’ny alalan’ireo fanentanana natao teny anivon’ireo toeram-piasakafoana, ny toeram-pietsenana ary ireo tobin-tsolika. Tsy hatao ambanin-javatra mandritra izany ny lafin’ny fandriampahalemana sy ny fiarovana amin’ny loza. Hifanome tanana amin’izany ny mpitandro ny filaminana sy ireo mpiambina sivily. Eo ihany koa ny lafiny fahadiovana, izay efa misy olona voatokana hanao ny toerana rehetra isan’andro arahin’ny vata Kopakelatra izay natao hanangonana ireo tavoahangy plastika rehetra avy nampiasaina.
Pati
Legende : Hafotaka ny lanonana hiarahana amin’ny orinasa Star eto Antsirabe manomboka anio !
 

Dans la même rubrique

14-nov-2025

Tany amin’ny fakàna ny Airbus A 340

Card image cap
14-nov-2025

Tafakatra 3 ireo mpiasan’ny Jirama

Card image cap
14-nov-2025

Te hanohy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ny

Card image cap
14-nov-2025

Mihazakazaka ny raharaha 11 miliara nindramin’ny

Card image cap