airtel

Actualités

18-oct-2021

Actualités

Tafiditry ny gidragidra ny fanaovan-gazety Hifandrotehana ny fanendrena solontena ao amin’ny CENI

Sample post image

Mihalalina ny lonilony eo amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Iny nandeha iny ihany ny fifidianana izay ho Filohan’ny Holafitra (OJM),

18-oct-2021

 izay tao anatin’ny tsy fitovian-kevitra lalina. Milaza moa ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina, fa 64,21% ny taham-pandraisana anjara manerana ny Nosy tamin’ity fifidianana ity. Marihinina fa 1509 ny tao anatin’ny lisi-pifidianana, saingy nandeha ny tsikera samihafa nataon’ny “cellule de crise”, fa tsy misy fangaraharana, ary misy tsy mpanao gazety aza nampidirina tao anatiny. Ho an’ny teto Antananarivo manokana, izay be mpanao gazety indrindra, dia efa maro no tsy nanoratra anarana tao anatin’ilay ambara fa lisitry ny mpanao gazety matihanina. Rehefa nandeha ihany koa ny fifidianana, dia 659 ny voasoratra anarana, 300 no tonga nifidy, izany hoe 45,52% ny taham-pandraisana anjara, 225 (75%) ny vato manan-kery azon’ny kandida tokana Monica Rasoloarison, vato fotsy 67 (22,33%), vato maty 8. Efa vita ny fifidianana, izay ambara fa nahalany ny kandida tokana. Adihevitra kosa ny fahamarinan-toerana (stabilité) sy ny maha ara-drariny sy ny lanjan’io Filohan’ny OJM (légitimité) eo amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Hitondra fihombonana sy firaisan-kiana sa ho vatolampin’ny fisaraham-bazana? Ny “Cellule de crise” etsy an-daniny, dia manamafy ny fisiana tsy fanarahan-dalàna amin’ny endriny maro, ary nanamafy ny fananganana rafitra mahaleotena. Mandeha ny feo ankehitriny, fa tsy homena karatra maha mpanao gazety matihanina avy amin’ny OJM izay mpanao gazety tsy nifidy sy nanao vato maty sy vato fotsy. Fa ny tena ho raharaha, dia ny momba ny fanendrena izay ho solontenan’ny mpanao gazety ao anatin’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana (CENI). Marihina fa niantefa tamin’ny Biraon’ny OJM voafidy farany talohan’ny fifidianana niteraka adihevitra teo no nandefasan’ny CENI ny taratasy momba ny fanolorana olona io, ka Atoa Marc Antoine, mpanao gazetin’ny Vondron’orinasa MaTV no voalaza fa natolotry ny OJM tarihin’ny Filohany Atoa Gérard Rakotonirina. Mandeha kosa ny toromarika etsy ankilany, fa asaina manolotra anarana mialohan’ny 27 oktobra ny OJM vao lany tarihin’ny Filohany Monica Rasoloarison. Anarana roa izany no hifampitady any amin’ny CENI ? Tendrena amin’ny alalan’ny didim-panjakana ny mpikambana rehefa feno, izay mety ho tombony ho any amin’ny ambara fa kandidam-panjakana. Hitondra filaminana sy fitoniana ve anefa izany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap