airtel

Actualités

03-nov-2022

Actualités

Tafika Malagasy Efa lasa fananana manokan’ny minisitra ny helikoptera ?

Sample post image

Loharanom-baovao mari-pototra no nampita fa nampiasain’ny Minisitry ny fiarovam-pirenena sady Minisitry ny raharaham-bahiny vonjimaika ny angidim-by an’ny tafika Malagasy ny talata 01 novambra 2022 teo.

03-nov-2022

Ny andron’io talata io tokony ho tamin’ny 10ora maraina no niantsona tany an-tanindrazan’ity minisitra ity ny andigimby. Asam-panjakana sy raharaham-panjakana sa antony hafa no nampiasana azy? Io andro io izay tsy fiasana, saingy nentiny tany amin’ny distrikan’Ambohimahasoa ny angidim-by, izay heverina avy hatrany fa antony ara-pianakaviana, mety ho fanateram-boninkazo teny amin’ny fasan-drazana, fomba fanaon’ny ankamaroan’ny olona isaky ny 01 novambra, raha ny fanamarihana. Zon’ny minisitry feno ny manao adidy na zavatra hafa, saingy miteraka adihevitra eny fa na avy ao anatin’ny tafika aza ny hoe: rariny sy hitsiny ve ny nampiasany sy nitondrany ny angidimbin’ny tafika? Betsaka ny faritra mila angidim-by noho ny tsy fandriampahalemana, saingy ny ankamaroany lavina noho ny antony ara-hoenti-manana. Mangotraka ny ady ety ambonin’ny tany ary betsaka ny maratra na sanatria mamoy ny ainy, izay matetika ilàna angidim-by na ny fanavotana maika, izay indraindray misy fanetsehana angidim-by fa ny ankamaroany toa toa tsy izay no miseho, hoy ny fanamarihana. Manodidina ny 800 dolara eo ary mety ho tafiakatra hatrany amin’ny 2000 dolara isan’ora ny hofan’ny angidimby arakaraka ny karazany, ka raha raisina amin’ny ambany dia manodidina ny 3 200 000 Ar izany ny ora iray, raha adin’ny telo teo ny mety fotoana nampiasana azy, dia efa 9 600 000Ar izany no tokony ho hofany. Ny manam-pahefana ambony anefa mampiasa azy amin’ny zavatra heverina fa ho amin’ny tombotsoany manokana. Volabe tsy toko tsy forohana no lany amin’ny fanentsehana fiaramanidina satria solika manokana no mampandeha an’io fa tsy rano, hoy hatrany ny fanamarihana. Misy ny mametra-panontaniana hoe: noho ity Minisitra ity voalaza fa tena isan’ny atokisan’ny Filoha indrindra ka ankoatra ny efa maha minisitry ny fiarovana ary mbola nampiana ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny izay izay samy isan’ireo minisitera mariky ny fiandrianam-pirenena ve dia afaka manao izay tiany hatao?
INONA NO FANAZAVANA HAMBARAN’NY FANJAKANA ?
Raha fiara fampiasany amin’ny maha mpiasam-panjakana ambony na “voiture dia fonction” mety mba azo noleferina ihany. Raha mampahatsiahy anefa, ny 08 desambra 2019, resabe teny amin’ny tambajotran-tserasera ny fampiasana fiaram-panjakana iray marika Audi A6 natao “tête de cortège”-na mariazy. Hatramina minisitra aza nanakiana sy niaiky fa tsy mety izany, ary toa nesorina tamin’ny toerany ilay tompon’andraikitra ambony taoriana kely. “…Dia misy miteny hoe inona "hono" ny olana koa jereo aza itony fiaram-panjakana "plaque rouge" itony mitondra mariazy. Tsy misy ary tsy hisy fitondram-panjakana, Filohan'ny Repoblika, Praiminisitra ary governemanta mihitsy hanome rariny an'io trangana fampiasana fiara io, ary minoa ahy fa tsy maintsy hisy ny fepetra ho raisin'ny tompon'andraikitra mikasika ny olona nampiasa ny fiara (détenteur effectif) izay tsy ny Filoha, tsy ny PM ary tsy ny mpikambana amin'ny governemanta mihitsy akory. Fa satria ve misy mpiasam-panjakana mampiasa fiaram-panjakana amin'ny tsy tokony ho izy...”, hoy ny ampahany tamin’ny fanehoan-kevitry ny Minisitry serasera sady Mpitondra tenin’ny Repoblika Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy tamin’izany. Asa inona ny ho fanazavana ataon’ny Fanjakana momba ity fampiasan’ny Minisitry ny fiarovana ny angidimby an’ny tafika ity? Sa efa niova ilay hoe: izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy moa no setriny amin’ny tranga tahaka ireny ankehitriny
? Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap