airtel

Actualités

05-mai-2023

Actualités

Tahiana Razanamahefa « Mila sahy misehatra amin’ny fampandrosoana ny vehivavy »

Sample post image

Mivoatra izao ny foto-pisainana Malagasy, hoy ny mpandraharaha, Tahiana Razanamahefa.

05-mai-2023

Maro ireo vehivavy manan-talenta sy fahaizana no mandray anjara amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra eny anivon’ny sehatra maro samihafa. Aty amin’ny tontolon’ny fandraharahana aty amin’ny sehatra tsy miankina dia efa betsaka koa ny vehivavy mandray anjara amin’ny fampandrosoana firenena aty amin’ny tontolo ara-toekarena. Tsy dia hita firy intsony izao ny hoe satria vehivavy dia tsy omena andraikitra. Ny traikefa sy fahaiza-manao no hametrahana ilay olona amin’ny toerany na lahy io na vavy. Araka ny isan’ny mponina eto Madagasikara nefa dia ny vehivavy no maro an’isa. Ny vehivavy koa no hita hoe manana diplaoma, mazoto mianatra. Misy noho izany ny tolotra omena ny vehivavy amin’ny sehatra maro ahafahany mivelatra sy mampandroso ary hitondrany fiantraikany anaty orinasa iray. Raha ny tokony ho izy dia taom-pifidianana ity taona ity. Ao anatin’izay, raha ampitahaina hoe aty amin’ny sehatra tsy miankina izay misy antsika dia hita ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy. Izaho manokana dia mampirisika ny vehivavy, indrindra, ny tanora malagasy hisehatra amin’izany raharaha politika izany satria miainga avy amin’izany ilay izy. Rehefa betsaka isika no miditra anatin’io dia mandray anjara amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra dia hitantsika hoe misy ny fivoarana, fanomezan-danja ny vehivavy, fanatsarana koa ny fari-piainan’ny vehivavy, indrindra, ny renim-pianakaviana, ny ankizy sy tanora ao anatin’izay. Mampirisika ny vehivavy handray anjara amin’ny sehatra maro samihafa na aty amin’ny resaka sosialy na politika na fampandrosoana toekarena na fampianarana ihany koa dia tokony hipetraka foana izay anjara toeran’ny vehivavy amin’ny fampandrosoana ny firenena izay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap