airtel

Actualités

30-juil-2025

Tahina Razafinjoelina

« Fahalalana hahafahana mifehy ny taniny no ilain’ny Malagasy »

Sample post image

Nitondran’i Tahina Razafinjoelina Filohan’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana

30-juil-2025

fanamarihana ny famadihana ho lalan-tany ny 70 km efa ho enim-bolana. 7 km no vita tara. Aza simbaina intsony aloha ny ambiny raha tsy maharaka ny vola fa mankarary ny vovoka ary mety mitera doza, hoy izy. Mino anefa aho, hoy hatrany i Tahina Razafinjoelina, fa azo natao kojakoja (entretien) fa tsy noravana tanteraka tahaka an'io fa dia inona loatra re ny antony ? Fisehosehoana ve hoe manomboka ny asa sa kolikoly? Dia anjarantsika no mandinika hoe iza no laharam-pahamehana amin'ireto sary nindramina ireto ? Nasehony tao anatin’izany moa ny sary fety be da fety be tany Maroantstra niaraka tamin'ny tombola SA fanamboarana nalalam-bokatra izay mifandray mivantana amin ny vidin'entana eny an-tsena) ? Mikasika ny raharaham-pirenena ankampobeny, naneho i Tahina Razafinjoelina fa « Miainga amin’ny fanatsaranany fiahiana ara-pahasalamana sy fampiaranana vao afaka handroso ny firenentsika". Fahalalana hafahana mifehy ny taniny no ilain’ny Malagasy, fa tsy toy ny teo aloha , izay fahalalana amam-boninahitra fotsiny, hoy i Tahina Razafinjoelina raha nohadihadian’ny fampahalalam-baovao iray . Miainga amin’ny fiahiana ara-pahasalamana sy fanatsarana ny fampianarana no hafahana mampandroso ny firenena araka izany. Isany maha sarotiny ny firenena Amerikana ny tsy fijerena ireo fiahiana ny zo fototra maha olona ireo ka nahatafiditra an’i Madagasikara amin’ilay hetra 47% miditra amin'ny entana miondrana any aminy. Notsipihiny hatrany fa eto amintsika lasa kifetifety sy fisehosehoana ivelany no handaniana vola, izay isany manao tatitra any amin’ny fireneny ireo masoivoho vahiny miasa eto Madagasikara mikasika ireny zavatra ireny. Tsy hisy firenena hanampy anao handany vola amin’ny fety sy fisehoana ivelany izany raha ny vahoaka ao aminao mijaly sy sahirana, hoy hatrany ny tenany.
Toky R


 

Dans la même rubrique

16-avril-2026

Misy ireo toetra tsy maintsy ananan'ny

Card image cap
16-avril-2026

machine élévateur" ilay olona

Card image cap
14-avril-2026

antsika fa ny hafa no mahazo tombony»

Card image cap
14-avril-2026

Ampangain’ny PAN ho mpanakorontana ireo ampahana GEN Z

Card image cap
14-avril-2026

mpanao kolikoly izaho sy ny Filoha ! »

Card image cap
14-avril-2026

Tovovavy iray izay lany

Card image cap