Ny 10 tamin’ireo raha araka ny fantatra dia tany amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany avokoa ka nisy ireo maty nianjeran’ny hazo raha nisy ihany koa ireo namoy ny ainy nirodanan’ny trano. Tafakatra 55.000 mahery ireo traboina vokatr’izany ka ny 34.409 amin’ireo dia any amin’ny Faritra Vatovavy sy Fitovinany avokoa. Nahatratra 310 ihany koa ny trano simba, 5.767 ireo dibo-drano raha lalana miisa 19 no tapaka tanteraka tsy azo hifamezivezena . Ho an’ny lalam-pirenena fahafito manokana dia anisan’ny tapaka ny eo amin’ny PK 471+050 izay mampitohy ny distrikan’Ambalavao sy Ihosy vokatry ny fahavakisan’ny arabe. Tapaka ihany koa eny eo amin’ny PK 331+200 mampitohy an’Ambohimahasoa sy Vohiposa…. Andrasana araka izany ny asa fanamboarana hataon’ny Fitondram-panjakana hahafahana mamerina amin’ny laoniny ny fiainan’ny mponina.
Pati
Legende : Nandravarava Batsirai tany Fianarantsoa sy ny manodidina
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny