airtel

Actualités

15-juin-2026

Tambajotra ara-pisolokiana

goavana MAFIA sy vahiny tsy

Sample post image

ara-dalàna maro tafiditra eto

15-juin-2026

Niteraka resabe ny tranga tetsy Tsarasaotra ny sabotsy teo, izay nisiana filazana samihafa mikasika andian’olona hanao fisavana saingy voalaza ho tsy nampiseho taratasy ara-dalàna. Niezaka niditra, ka raikitra ny sakoroka sy fifamonoana tao anatin’ilay toerana. Nanazava ny toe-draharaha kosa ny fampanoavana Antananarivo niaraka avy amin’ny polisim-pirenena, zandarimariam-pirenena, ny avy amin’ny atitany, ny mpanara-maso ny sisin-tany,… Nahitana ny An-dRtoa RAKOTONIAINA Narindra Navalona, niaraka tamin’ny Fitaleavana Misahana ny Heloka Bevava ao amin'ny Polisim-pirenena, ny Commissaire Divisionnaire de Police, RABENANDRASANA Jean Marcel, ny Kolonely RANDRIAMALALA Heritiana Rivo, avy amin’ny Fitaleavana Misahana ny Heloka Bevava ao amin’ny Zandarmariam-pirenena, ny Commissaire Principale de Police RANDRIAMERISOA Mohamed Ali Lehiben’ny sampan-draharaha fanarahamaso ny sisitany ary Ramatoa RAMANITRA Vaniniaina Annie, Lehiben'ny Sampandraharahan'ny fahazoan-dalana mivezivezy sy mivahiny avy ao amin'ny Minisiteran'ny Atitany. Nambara fa fandravana tambajotra mpanao « escroquerie en ligne » na « scamming » sy mpanao famarinan’olona na « traite des personnes ». Nambara fa hetsika efa natomboka volana maromaro, efa nisy voasambotra sy naiditra am-ponja miandry ny fitsarana azy ireo. Nialohavana famotorana sy fanadihadiana, ka nisy ny fisavana na « perquisition » izay nambara fa ara-dalàna, ka tafiditra amin’izany ny teny Tsarasaotra ny sabotsy 13 jona 2026 teo, izay niteraka resabe. Nohazavaina fa fisolokiana avo lenta ny « scamming» izay misy olona any ivelany no lasibatra, efa fantatr’ireo olon-dratsy mialoha ny mombamomba azy ireo na « profil » an’ireo olona tiana hosolokiana. Tamin’ireo toerana efa nidinan’ny polisy, dia nahitana solosaina marobe. Efa misy taratsy kely maro fanoroana entina. Mahazo 8000 dolara isan’andro ny olona iray. Ny tao Tsarasaotra, dia misy olona 700 mahery miasa ao anatiny, efa nogiazana sy natao « scellage » ilay toerana, ka haka ny fitaovana no natao tao. Na efa nanazazava aza ny tonian’ny fampanoavana izay niaraka tamin’ny polisy, dia tsy novohain’ireo tao ny fidirana, ka natao ny fomba rehetra, ka ireo polisy indray no nodarohan’ireo mpiambina, hoy ny fanazavana. Izay no nahatonga ny sary nivoaka tamin’ny tambajotran-tserasera hoe : nisy fampiharana herisetra kanefa tsy maintsy natao ny fifehezana tsy hisian’ny fikasihan-tanana mpitandrony filaminana.

VAHINY NY ANKAMAROAN’IREO 700 NIASA TAO
Teratany vahiny avokoa ny ankamaroan’ireo 700 niasa tamin’ireo toerana ireo fa vitsy ny Malagasy, toy ny mpitandro filaminana ao anatiny, mpahandro sakafo, mpanadio,… Tamin’ny toeran-kaza aza dia vahiny avokoa, raha ny fanazavana. Namafisina fa miteraka fatiantoka amin’i Madagasikara ity resaka « scamming » ity satria efa nenjehina tany amin’ny Firenen-kafa ireo olona ireo no tonga teto, tsy Antananarivo irery fa saika manerana ny Nosy. Midika fa miditra aty amintsika ny Mafia ! Nanamafy ny sampan-draharaha misahana ny fanaraha-maso ny sisin-tany, fa hanamafy ny fanaraha-maso an’ireo vahiny manao fandraharahana eto, indrindra fa ny lafiny ara-taratasy. « Visa touristique » no nidiran’ireo, ka btsaka ny tsy fanarahan-dalàna sy dingana tsy narahana, toy ny Visa maharitra na ahafahana mipetraka eto, izay tsy voahajan’ireo tambajotra manao fandraharahana antsokosoko. Vahiny 40 mahery no hita ny 13 jona teo amin’ny toerana iray eto Antananarivo, tsy manana pasipaoro, milaza fa nogiazan’ny lehibeny, izay ahafahana milaza fa misy « traite de personne » ihany koa amin’ity afera ity. Notsipihina fa samihafa ny « call center » izay « antenne de service » izay manana fahazoan-dàlana sy ara-dalàna, fa ny « scamming » kosa tena asa ratsy sy fisolokiana avo lenta, izay misy miafina ao ambadiky ny « call center ». Tsy tokony hanana ahiahy kosa ireo ara-dalàna.

EFA NISY MARO ANY AM-PONJA SY NOROAHANA
Ny fiandohan’ity volana ity no efa nilaza ny Minisitry ny Atitany sy fitsinjaram-pahefana Hanitra Velonjara Tiaray Rakotonandrasana fa voamarina ny fisian’ny tambanjotra vahiny mirotsaka amin’ny asa miendrika hosoka ara-bola antsoina hoe "Skimming", izay ny resaka kaody sy kaonty amin’ny banky no lasibatra amin’ity, ampiasana fitaovana elektronika manokana hangalarana ny mombamomba ny karatra banky sy hanaovana fanodikodinana ara-bola. Teratany vahiny avy amin’ny firenena maro no voarohirohy. Olona 34 no voatazona am-ponja, ary vahiny 64 kosa no noroahina hiala ny faritry ny Repoblika. Tafiditra amin’ireo voakasika ny avy any Bangladesh, India, Indonezia, Vietnam ary Shina, izay voatondro ho nandika lalàna na ahiahiana ho mifandray amin’ny tambanjotra mpanao hosoka ara-bola.
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-juin-2026

ho an’ny fokontany mihitsy aloha!»

Card image cap
15-juin-2026

Hanaovana hetsika manokana etsy amin’ny kianja Barea

Card image cap
12-juin-2026

Mbola mitana ny sain'ny maro ny raharaha

Card image cap
12-juin-2026

Betsaka ny asa vita sy hotanterahana,

Card image cap