ndray ny Jirama omaly takariva fa misy olana ara-teknika ny TAC 1 ao Ambohimanambola. Misy tsy fahatomombanana ihany koa ny milina GR 1 ao Mandraka. Ireo antony ireo no mahatonga tsy fahampiana 25MW amin'ny vokatra tsinjaraina eto amin'ny Tambazotra iraisan'Antananarivo. Tsy azo hihodivirana arak'izany ny fampiharana ny fahatapahan-jiro mifandimby amin'izao ora maha be ny filàna herinaratra ny hariva izao ka tombanana ho ora iray isaky ny fahatapahana izany, hoy hatrany ny serasera ofisialy. Am-perinasa manarina ireo tsy fahatomombanana ireo ny ekipa teknikan'ny JIRAMA ary atao ny ezaka rehetra hamerenana amin'ny laoniny ny famokarana sy ny fitsinjarana herinaratra eto Antananarivo sy ny manodidina, hoy hatrany ity orinasa ity. Tapa-bolana latsaka izay no nanao serasera ny Jirama fa handeha manomboka ny 24 jolay 2026 ny TAC 3 hamokatra 18MW hamafa tanteraka ny banga 15MW ao anatin’ny RIA. Mba hahafahana mampandeha ny TAC 3 Ambohimanambola izay hamokatra 18 MW fanampiny eto Antananarivo manomboka ny zoma 24 Jolay 2026 dia natao « réquisition » ireto fitaovana manaraka ireto: 12 filtres haute pression (Réf. PL 511-5-GE); 24 filtres basse pression (Réf. PL 718-5-CN). Nambara fa hamafa tanteraka ny banga 15 MW, ary hampitsahatra ny fahatapahan-jiro ny fampandehanana ny TAC mamokatra 18MW io. Ireo "filtres" ireo dia nalaina tao amin'ny orinasa ATM izay mpitantana teo aloha ny TAC, ary tafiditra ao anatin'ny "lot de pièces de rechange" iray voatahiry ao anaty kaontenera, hoy ny tatitra tamin’izany. Nambara tsy manaiky hivarotra ireo « filtres » ireo ny ATM fa ny "lot" manontolo ihany, amin'ny sandany 280 364 599,56 Ariary TTC. Raha azo ampiasaina avy hatrany ireo "filtres" misy ao amin'ny ATM, dia azo ampidirina amin'ny tambajotra ihany ny TAC 3, ka hahafahana mamokatra 18 MW fanampiny, izay hamafa tanteraka ny banga 15 MW misy amin'izao fotoana izao eo amin'ny famokarana sy ny filàn'ny tambajotran'Antananarivo, ary hampitsahatra ny fahatapahan-jiro vokatry ny tsy fahampian'ny famokarana, hoy ny tatitra tamin’izany. Asa izay hiafaran’io hoe nahomby sa tsia fa mba somary nalefadefaka ihany ny fahatapahana ? Dia io fa voa indray ihany koa ny TAC 1 ka asa haharitra hafiriana ny fahavitany ? Asa rahoviana vao tena ho resy ny delestazy ? Eo anatrehan’ny fanadihadiana parlemantera sy ilay fanambarana nataon’ny PRRM, ho tafavoaka ve ny fanintsiana ireo fifanarahana nambara fa namono antoka? Manao ahoana ny tohin’ny fe-potoana nomena ny orinasa vahiny lehibe iray sy ireo namany ?
Toky R