Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Analanjirofo ny 18 Janoary rehefa nahazoana fitarainana marobe fa mpisoloky. Raha araka ny fantatra dia tena henjana tokoa ity lehilahy ity amin’ny resaka fisolokiana no sady mahay miresaka. Natao ny velam-pandrika rehetra noho izany mba hisamborana azy ka tratra soa aman-tsara ny anaolahy. Mbola hita teny aminy ireo karazana vato sarobidy izay fitaovana iray entiny misoloky sy maka vola aman'olona. Nandritra ny fanadihadiana natao azy no nahafantarana fa ao anatin'ny tambazotra mpisoloky any amin’iny faritra Analanjirofo iny ny tenany ary anisan’ireo tena ati-doha mampikaikaika fatratra ireo mponina ao Maroantsetra mihitsy. Natolotra ny Fitsarana afak’omaly 23 Janoary moa ny anaolahy ary nadoboka am-ponja vonjy maika any an-toerana.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana miaraka amin’ireo karazana vato tsy izy hakany vola aman’olona !
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny