airtel

Actualités

13-févr-2026

Tambajotran'ny herinaratra ao Toamasina

Henjana ny fahavoazana,

Sample post image

tapa-bolana eo ny fanarenana

13-févr-2026

Niteraka fikorontanana amin’ny famatsiana herinaratra ny takaitra navelan’ny rivodoza Gezani, araka ny fanazavan'ny minisitry ny Angovo Ralitera Ny Ando. Miroso amin'ny fanarenana ny Fanjakana, ka ara-teknika dia mety haharitra hatramin’ny tapa-bolana ny fanarenana amin'ny laoniny ny famatsiana herinaratra. Tsara ny mampahatsiahy tafiditra ao anatin'ny fahapotehan'ny tananan'i Toamasina hatrany amin'ny 80-90% ny fotodrafitrasan'ny Jirama. Hatramin'ireo andrin-jiro lehibe mitondra herinaratra matanjaka, izay vita amin'ny "béton" dia maro no tapaky ny rivodoza, ka niteraka fahavoazana goavana amin'ny famatsiana herinaratra. Voakasik’izany ny tambazotra RIA–RIT,izay mamatsy an'Antanananarivo sy Toamasina, indrindra ny tohodrano ao Andekaleka izay voasakanan'ny fako, ka tsy maintsy miandry ny fidin’ny rano vao afaka diovina, raha ny fanazavana. Ankoatra izany, efa niainga ireo ekipa teknika hanampy amin'ny fanarenana ireo tambazotra mpitsinjara herinaratra ao an-toerana. Hanao ny ezaka rehetra izahay hamerenana amin'ny laoniny ny famokarana sy ny fitsinjarana herinaratra sy rano ao Toamasina, arak'izay tratra, hoy ny Minisitra ny Angovo sy ny akoran'afo. Ho an'ny eto Antananarivo, niteraka fikorontanana tamin'ny famatsiana herinaratra ihany koa ny fandalovan'ilay Rivodoza Gezani, hoy ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Ny Ando Ralitera. Misy ny olana ara-teknika lehibe eo amin’ny famatsiana miainga ao Andekaleka, noho ny fahatsetsenan'ny tohodrano. Mbola miandry ny fidinan'ny rano anefa vao afaka manatanteraka ny asa ireo teknisianina araka ny fanazavana. Na izany aza, nambara fa 5 sisa no tsy mandeha amin'ireo tambajotra 14 nisy tsy fahatomombanana tao amin'ny RIA. Miverina kely amin'ny any Toamasina, tsy niandry ela fa niazo an'i Toamasina ny fiarabe nitondra milina mpihary herinaratra roa (2), izay manana tanjaka 500 KVA sy 160 KVA, mba hahafahana mampihodina ireo milina mpamokatra rano ao an-toerana, izay mbola miato ihany koa amin'izao fotoana izao. Miara-misalahy ny Jirama sy ny Minisiteran'ny rano amin'io.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap