no anaran’izy io izay vatsian’ny banky iraisam-pirenena vola mitentina 17 miliara dolara. Raha araka ny fantatra dia distrika 4 no voakasin’izany dia ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano, Avaradrano, Antananarivo renivohitra ary Ambohidratrimo. Hisandrahana amina kaominina miisa 10 kosa ilay tetikasa. Ankoatra ny fananganana foto-drafitrasa goavambe dia hisy ihany koa ny fananganana pylone arahin’ny fametahana tariby mitondra herinaratra mahery vaika. Tsy maintsy hisy ny trano, tanin’olona, tanim-bary ho voakasika noho izany. Mba hahafahan’ny asa mandeha an-tsakany sy an-davany ary dia fantatra fa hanomboka amin’ny Zoma ho avy izao ny fakan-kevitra ho an’ireo mponina voakasika sy lalovan’ny tetikasa. Miantso ireo mety ho voakasika araka izany ny orinasa JIRAMA mba hanatona haingana ny kaominina misy azy hahafahana mamaha ny olana. Vonona moa ny orinasa JIRAMA handoa araka izay lany sy tratra amin’ireo fananan’olona rehetra mety ho voakasik’ity tetikasa ity.
Pati
Legende : Nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety nokarakarain’izy ireo omaly
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny