airtel

Actualités

28-sept-2022

Actualités

Tambin-karama handehanana misotro ronono Milaza ny Fanjakana fa voaloa tsy tapaka…

Sample post image

Namoaka fanambarana momba ny tambin-karama handehanana misotro ronono ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola omaly 27 septambra 2022.

28-sept-2022

Naneho fa voaloan’ny Fanjakana tsy tapaka izany. Zo fenon'ny mpiasam-panjakana ny mahazo ny tambin-karama rehefa handeha hisotro ronono izy, araka ny voalazan'ny lalàna laharana 2003-011 tamin'ny 03 septambra 2003, mifehy ny satan'ny mpiasam- panjakana. Amin'izao fotoana izao dia ny « cireulaire » laharana 365-MEFB/SG/DGDP/DSP/SER nentina nampiharana ny didim-panjakana laharana 2003-993 tamin'ny 07 oktobra 2003 mahakasika ny fanomezana ny tambin-karama ho an'ireo mpiasam-panjakana handeha hisotro ronono no entina hikajiana izany, hoy ny fanazavana. Mba hahafahan'ny mpiasa rehetra hitovy zo anefa dia tsy maintsy nandray ny andraikiny ny fitondram- panjakana ka tsy nampidirina tao anatin'ny kajy intsony ny tambin-karama raisina isam-bolana izay voafaritry ny naoty nivoaka ny taona 2018. lo kajy io mantsy dia manome vahana ny mpiasam-panjakana manana sata manokana sy mandray tambin-karama manokana. Efa eny anivon'ny antanantohatra mahefa rahateo ny volavolana didim-panjakana izay heverina fa mampitovy zo ny mpiasam-panjakana tsirairay na inona na inona ny sata mifehy azyMahazo azy avokoa izay mpiasam-panjakana handeha hisotro ronono rehetra. Raha nahafeno 25 taona niasana izy, dia ny karamany 12 ambiny folo volana no omena azy ka tsy voakasika ao anatin'izany ny tambin- karama na « indemnité » isan-karazany, fa iroo fototry ny karama ihany no omena azy (500, 501, 502, 503, 506). Ireo izay tsy nahafeno fotoam-piasana 25 taona kosa dia kajiana arakaraka izay taona vitany. Ireo mpiasam-panjakana mandray karama amin'ny alalan'ny « budget général » sy ny « budget annexe » no sahanin'ny Sampandraharaha eo anivon'ny Minisiteran'ny Tockarena sy ny Fitantanam-bola. Samy mandray an-tanana ireo mpiasa ao aminy kosa ireo avy amin'ny « Etablissement Public” sy ny vondrom- bahoaka hitsinjaram-pahefana, hoy ny fanazavana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap