Naharitra ora telo vao voafehy ny afo. Tsy mbola fantatra mazava ny anton'ny firehetana hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Trano 50 tafo kosa no may kila forehitra vokatr’izany ary tsy nisy azo noraisina niampy ireo biby fiompy toy ny akoho amam-borona. Mbola tsy voafaritra kosa ny isan'ireo fianakaviana traboina izay marihina fa efa miparitaka any amin’ny fianakaviany ireo afaka nanao izany. Manoloana ity voina mahatsiravina ity dia miantso ny tompon’andraikitra ara-panjakana isan’ambaratongany sy ireo tsara sitra-po ireo mponina traboina ao Foulpointe mba hifanohana amin’izy ireo. Tsiahivina moa fa trano 258 tafo ihany koa no may kila forehitra tany amin’ny faritra Boeny afak’omaly.
Nangonin’i Pati
Tsy manana ben’ny tanàna voafidim-bahoaka I Moramanga Renivohitr’i Bezanozano, fa ben’ny tanàna mpisolo toerana napetraky ny fanjakana no misy.
Namoahana fampitandremana sy fampiomanana tamin’ny alalan’ny filazana loza manambana ny faritra maro amin’ny lemak’Antananarivo izay lalovan’ny reniranon’i Sisaony.
Andrasana indray moa ny fanazavan’ny tompon’andraikitra fa dia ankoatry ny fikorontanan’ny famatsiana herinaratra
Efa saika miomankomana amin’ny fankalazana ny fetin' ny mpifankatia indray ny rehetra amin’izao faramparan’ny volana Janoary izao.
Nivory maika ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC omaly hariva.
Niely omaly ny fisiana tranga tsy dia fahita tany Tafiankasika Ambilobe iny. Nisy mpivaro-kena iray nandeha nividy omby, nentiny tany amin'ny “abbatoire”