airtel

Actualités

24-avril-2026

Tany eto madagasikara

Hofoanana ny tany colons,

Sample post image

hozaraina amin'ireo tena mampiasa azy

24-avril-2026

Hofoanana ny tany colon na an'ireo mpanjanaka ary averina amin'ny fanjakana ka hozaraina amin'ireo tena mampiasa azy. Io no nambaran’ny Minisitry ny Fanajariana ny tany sy Raharahan-tany, Lylison René de Rolland nandritra ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny atrikasam-paritra tao amin'ny Havoria Anosy, omaly Alakamisy 23 Aprily.Efa natolotra eny anivon’ny Antenimierampirenena ny volavolan- dalàna milasika izany hoy izy ary efa hiakatra eny anivon'ny Governemanta koa antenaina fa ho lany tsy ho ela. Ny hanafoana tanteraka ny rafitra mifehy ireo tany “colon”, izay heverina ho iray amin’ireo antony lehibe miteraka ady tany eto amintsika no tena tanjona. Fantatra fa ny fitazonana ireny tany ireny ho fananana manokana na lova no miteraka disadisa maro eny anivon'ny fiaraha-monina. Na izany aza tsy maintsy miandry ny lalana lany ny fanjakana vao afaka miakatra ny tany amin'ireo tena mpampiasa azy hoy ny fanazavana azo. Hofoanana ihany koa ny zo handova na hivarotra ireny tany “colon” ireny. Tapahina tanteraka mihitsy ilay rafitra taloha izay tsy mifanaraka amin’ny tantara sy ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy raha bangoina ny fanazavan'ny Ministra. Mbola ho entina hitety Faritra maro moa izao atrikasa izao ho tombontsoan'ny vahoaka manontolo.
Pati

Légende : Ny Ministry ny Fanajariana ny tany Lylison René de Rolland !
 

Dans la même rubrique

22-sept-2026

fanadihadiana parlemantera ny ACM ‎

Card image cap
22-sept-2026

rehetra ao aminy ny FFKM

Card image cap
22-sept-2026

Iles Eparses, hitad mpiara-miombon’antoka

Card image cap
22-sept-2026

Handoavana 15000Ar isaky ny fiara tsy misy entana

Card image cap
22-sept-2026

7 lahy voasambotra sy nidoboka am-ponja

Card image cap