airtel

Actualités

19-janv-2022

Actualités

Tany nihotsaka sy trano nirodana Olona 10 no maty teto Antananarivo

Sample post image

Olona 10 no namoy ny ainy vokatry ny rotsak’orana be niteraka loza samihafa teto Antananarivo sy ny manodidina ny alin’ny alatsinainy hifoha omaly talata 18 janoary 2022.

19-janv-2022

Nandritra ny alina, dia nahazoana antso maro tsy latsaky ny 30 ny antso voaray, izay noho ny loza, toy ny fiakaran’ny rano. Mikasika ireo namoy ny ainy, dia 5 teto Antananarivo (Ambohidempona Boriborintany faharoa 1, Boriborintany fahadimy nisy 2 namoy ny ainy teny Manjakaray, ary Nanisana 2), ary 4 tany Antananarivo Avaradrano (Ankizy 3 tao Ambohimangakely, ary olona iray hafa tao Alasora), araka ny tatitra nataon’ny Tale Jeneralin’ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindonin-doza (BNGRC) Jeneraly EElack Olivier Andriankaja. Ilay teny Ambohimanngakely io moa dia ilay niseho tao Bemasoandro Manantenasoa Fokontany Ambohimahitsy, izay namoizana aina tovolahikely miisa 3, vokatry ny fihotsahan’ny vodivato na “mur de soutènement” tsy lavitra ny trano, nifatratra tany amin’ny trano nisy azy azy ireo ka nirodana sy nahatototra azy telo mirahalahy tao omaly 18 janoary 2022 tokony ho tamin’ny 2ora maraina. Ny tetsy Nanisana kosa dia ankizy roa 7 taona sy 3 taona tao anaty trano “sachet” no nirodanan’ny tamboho. Nisy iray hafa voalaza fa namoy ny ainy ihany koa teny Soavinimerina, Kaomina Fenoarivo Atsimondrano. Olona roa kosa no naratra mafy, ary 500 ny olona efa traboina nafindra toerana teto an-dRenivohitra.
MITOHY NY ORANA MIKIJA
Voasokajy ho orana mahery vaika ny rotsak’orana kanefa mbola hihoatra lavitra ny rotsak’orana nanomboka omaly alina, mitohy anio, raha ny fanazavana. Ny an’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro dia notombanana ho 36mm ny rotsak’orana tao anatin’ny 24ora nisian’iny rotsak’orana be afak’omaly nitohy omaly maraina iny, kanefa tafiakatra hatrany amin’ny 100mm. Ho an’ny anio, dia mety ho 63mm, izany hoe raha vinavinaina dia mety ho tafiakatra hatrany amin’ny 200mm. Ny Sampana mpamantatra ny toetr’andro ihany koa, dia naneho fa mety hisy rivodoza any amin’ny faritra Antsinanana ny faran’ny herinandro. Niangavy ny vahoakan’Antananarivo sy ny manodidina, ny ato amin’ny faritra Analamanga,… mba hiala amin’ny faritra rehetra mety hihotsahan’ny tany, hianjeran’ny hazo, trano mety hirodana,... ny Tale Jeneralin’ny BNGRC Jeneraly Elack Olivier Andriankaja. fianjeran’ny trano. Dibo-drano avokoa ny faritra iva teto Antananarivo toa an’i Soamanatombo, Motel Anosy, Andravoahangy tsena, Water Front Ambodivona, Isotry, 67Ha, Antohomadinika, Besarety,… Hatramin’ny ranon’i Marais Masay niakatra ny árabe. Nihotsaka ny tany teny Ambohimitsimbina, izay nahototra ny árabe. Mbola hitohy ny faharatsian’ny toetr’andro, ambony ny risika hisian’ny loza, ka tokony hitandrina ny rehetra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap