ny herisetra sy ny fandrahonana ho faty ny mpanao gazety telo lahy, teo am-panatanterahana ny asany amin'ny fikaroham-baovao ifotony, tany Taolagnaro, faritra Anôsy, omaly alatsinainy 03 jolay 2023. « Rehefa nanazava ny diany tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny « Quatre Chemins » fa handeha hanao fanadihadiana eny Amaroamalina nisian'ny sakan-dalana. Nosakanana andian'olona mirongo lefona, antsy lava, pilotra izy ireo, nihodihodininy sy norahonany ho faty. Nampangaina fa handeha hamatsy bala ny "Région" », hoy ny OJM. Nambaran’ny Holafitra fa nandritra ny ora iray no nanaovana takalon'aina ireto mpanao gazety ireto izay efa reraky ny ompa sy fandrahonana. “Manoloana izao toe-javatra izao dia miantso ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga izahay mba samy handray ny andraikiny sy hanokatra fanadihadiana hisitrahan'ny tsirairay ny zony hahazo vaovao marina sy voamarina. Zon'ny mpanao gazety ihany koa ny hanao fanadihadiana malalaka mikasika ny zava-misy rehetra izay iankinan'ny fiainam-bahoaka, araka ny voafaritry ny andininy 60 amin'ny Lalàna 2020-006 ny 1 septambra 2020, momba ny serasera amin'ny haino vaky jery. Mangataka ny mpitarika fihetsiketsehana rehetra mba hifehy ny olona entiny tsy hihoa-pefy tahaka izao », hoy hatrany ny eo anivon’ny OJM.
Toky R
Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,
Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly
Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana
An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.
Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,