mivantana tamin’ny tambajotran-tserasera nataon’i Andry Andriantongarivo vadin’ny Minisitry ny serasera teo aloha Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy. Raha ny fanombohany dia misy mpitandro filaminana nitondra taratasy tonga hisava na hisambotra azy, saingy nanda izany izy, izay milaza ao anatin’ny kiakiaka fa tsy afaka miditra ny andaniny rehefa mbola mandà ny tompon-trano, « inviolable » ny toeram-ponenako, hoy izy. Heno anatin’ny horonan-tsary ny kiakiany sy ireo zanany izay mitaraina, misy feo heverina fa feom-basy any ivelany, ary ny atao anatiny mikiakiaka hoe : « maty ny zanako e !, ajanony ilay tir fa voa izahay, aoka izay, mifona e, aza tifirina izahay, ampirimo ilay basy aloha,… ». Hiakiaka sy tomany no mandrakotra ny horonan-tsary, talaho sy fangatahana fitserana hoe : aza vonoina izahay e ! maty ny zandriko e ! Nilaza i Andry Andriatongarivo ao anatin’ilay horonantsary fa tsy misy basy any amin’izy ireo, fa finday ny ety an-tanany. Ireo ankizy amin’io mitoreo sy mitomany, niaina tao anaty horohoro sy fijaliana. Ny andaniny kosa miteny hoe mivoaha moramora ! Tapaka moa ilay horonan-tsary, fa raha ny vaovao vonjimaika dia nosamborina tao an-tranony teny Ambatolampy Tsimahafotsy i Andry Andriatongarivo ary voatazona any amin'ny Commissariat central Tsaralalàna. Ilay raharaha mifandraika tamin'ny resaka Mr Sayda no voalaza fa anton'ny fisamborana azy, izay omaly hariva no nilazany fa hanaovany ampamoaka momba io. Raha tsiahivina, ny 06 novambra lasa teo no namoaka fampahafantarana i Andry Andriatongarivo, fa nivoaka ofisialy ny taratasy fisaraham-panambadian’izy sy ny minisitra teo aloha Lalatiana Rakotondrazafy. Haiko loatra, hoy izy, io ramatoa io satria niaraka taminy aho nandritra ny 7 taona,.. Nolazainy fa olona mpamotika ny manodidina azy, mpanely tsaho sy lainga isan'andro, mpampiasa fahefam-panjakana ho an'ny tombotsoany manokana, mpamadika ny fotsy ho mainty,... ka nampanantenany fa hanaovany ampamoaka maro. Tonga izany ny valin’adin’ny ankilany ? Hanao ahoana ny tohiny ?
Toky R
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny