airtel

Actualités

10-mars-2025

Tapany avaratry ny Nosy

Toerana maro dobo sy difotry ny rano

Sample post image

Voa mafy ny tapany avaratra sy avaratra atsinanan’ny Nosy noho ny andro ratsy nateraky

10-mars-2025

ny rivodoza Jude izay mitoetra ao amin’ny lakandranon’I Mozambika, misy fiatraikany amin’ny faritra Diana, Sofia sy Sava ary Analanjirofo. Tanàna maro ny dibo-drano, misy ampahana tanàna difotra tanteraka ny trano sy fotodrafitrasa sasany, ka isan’ny tena lasibatra Ambalamanasy-Andapa, Ambinanitelo-Maroantsetra, Mananara Avaratran,... Mbola mitoetra ny fahamailoana amin’ny mety ho fiakaran’ny rano sy renirano ho an’ny Faritra DIANA, SAVA, SOFIA ary ANALANJIROFO. Noho io rivodoza Jude io, nahazo fampitandremana miloko mavo amin’ny fiakaran’ny rano ho an’ireo mponina manamorina ireto renirano ireto: Sofia (Distrika Port-Bergé), Sambirano (Distrika Ambanja), Antainambalana (Distrika Maroantsetra), Mananara (Distrika Mananara) sy ireo mponina amin’ny faritra mora tondraka, araka ny toromarika omaly 09 martsa tamin’ny 9ora maraina
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap