airtel

Actualités

28-oct-2022

Actualités

Taratasim-panjakana Mampiahiahy ny fanomezana azy ny tsy miankina

Sample post image

Mitombo ny ahiahy politika mikasika ny fanamboarana kopian’ny sora-pahaterahana amin’ny alalan’ny didim-pitsarana (jugement supplétif d’acte de naissance) sy ny karapanondrom-pirenena.

28-oct-2022

Milaza ny mpitondra fa efa mandeha io ary anatin’ny hetsika tanteraka ny Fanjakana. Nambara fa tena marisika ny olom-pirenena feno taona na mihoatra izay mbola tsy manana kopiam-pahaterahana sy karapanondrom-pirenena hatramin’izay, misoratra anarana amin’ity hetsika ity. Noho izany fa mihoatra lavitra ny tombana napetraka hatrany am-piandohana ny isan’ireo mandray anjara amin’ny fitsarana mitety vohitra hanomezana io kopian’ny sora-pahaterahana io. Manoloana izany, tsy maintsy hanampy ireo taratasim-panjakana (imprimés) ilaina amin’ny hetsika ny Minisiteran’ny Atitany. Notapahana tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 27 oktobra 2022 lasa teo noho izany fa noho ny hamehana sy fahitana fa tsy maharaka ny filàna misy ny trano pritim-pirenena nasionaly (imprimerie nationale), dia nankatoavina ny fahafahana manetrsika ireo trano printy tsy miankina manampy ny trano printy nasionaly. Hisy araka izany ny fepetra manokana horaisina (procédure dérogatoire) nambara fa manaja ny voalazan’ny fehezan-dalàna lf: 2016-055 tamin’ny 25 janoary 2017 mikasika ny tsenan’asam-panjakana, mba ahafahana mandeha haingana kokoa. Adihevitra tsy hifankahitana ny momba an’io, ary mampitombo ny ahiahy politika, fa misy teti-dratsy ara-pifidianana ao ambadika. Ny takariva kosa vao nivoaka ny seraseran’ny Minisitry ny atitany Atoa, fa ireo taratasy tsy manana lanja ara-pitsarana na “valeur judiciaire” no hataon’ny tsy miankina, ka tsy ao anatiny ny karapanondro na CIN. Orinasan’iza no homena ny tsenam-panjakana ao anatin’izany? Mipetraka ny ahiahy fa ny orinasa akaiky ny mpitondra na an’ny mpitondra no hahazo an’io. Hiparitaka ary hanana ny lasitra na “matrice”-n’ireny taratasim-panjakana ireny izany ny tsy miankina. Notendrena nandritra ny Filankevitry ny minisitra farany teo moa ny Tale Jeneralin’ny trano pritim-pirenena izay mpisolo toerana na “interim”. Inona no tsy tonga dia nanaovana azy ho tompon’andraikitra mpisolo toerana kanefa zavatra stratejika be io ary hiatrika fifidianana isika? Tsy efa midika ve izany fa mety hatao haingon-tsehatra fotsiny hanamorana ny ketrika maloto ara-pifidianana? Maro moa no maneho fa raha ny lojika kokoa, ny Trano Pritim-pirenena no homena tosika sy tantsoroka toy ny ara-pitaovana sy arak’olona, fa tsy avoaka aty ivelany ny asany. Moa ve tsy tokony ho isan’ny fahefana fenon’ny Fanjakana tsy tokony hafindra amin’ny tsy miankina na “Pouvoir régalien de l’Etat” ny resaka fanontana taratasim-panjakana?
HIVERINA NY SARY TAMIN’NY 2018?
Na nilaza aza ny Minisitry ny atitany, fa ny trano pritim-pirenena ihany no hanonta ny karapanondro, mipetraka hatrany ny ahiahy ara-pifidianana. Tsy vao sambany satria ny desambra 2018, nisy ampamoaka nataon’ny Tale Jeneralin’ny Trano Pritim-pirenena teo aloha Andriamboavonjy Jean-Angelson momba ny fisian’ny karapanondrom-pirenena sy kara-pifidianana hosoka. “Tsy afaka ny tsy hiteny izahay ato amin’ny noho ny karapanondro hosoka sy kara-pifidianana hosoka. Tsy avy ato ireny hosoka ireny. Ny Trano Pritim-pirenena ihany no afaka manonta azy, ny Minisiteran’ny atitany ihany no afaka manao kaomandy. Izay kaomandin’ny CENI, dia izay ihany no ataonay. Misy fepetra iadiana amin’ny hosoka maromaro ao anatin’ny karapanondro”, hoy izy, izay naneho fa misy ny pitsopitsony manavaka ny hosoka sy ny tsy hosoka. Fotoana fohy taorian’izay, nesorina tamin’ny toerany io tompon’andraikitra io. Niparitaka avy eo ny karapanondro hafahafa tamin’ny kara-pifidianana, ankoatra ny resaka “doublons” nambaran’ny Filohan’ny CENI teo aloha Atoa Thierry Rakotonarivo. Mbola tsy foana ny ahiahy amin’ny mety hiverenan’ny tahaka ireny.
Toky R
Légende: Ny Minisitry ny raharaham-bahiny Atoa Tokely Justin nitondra fanazavana omaly

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap