tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy araka ny tetikasa iarahana amin’ny ministeran’ny fanabeazampirenena. Ny Fikambanana Green for a Healthy Madagascar amin’ny alalan’ny tetikasa Green Action school dia nifanome tanana amin’ny ministera ho fanatanterahana izany, teny amin’ny CEG Nanisany ny zoma lasa teo no nanatanterahana ny fifanaovantsoania fanamafisam-piaraha miasa teo amin’ny roa tonta. Manana andraikitra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana isika rehetra hoy ny Minisitra Max Fontaine Andonirina fa manana andraikitra misimisy kokoa ny tanora. Izany indrindra no hanabeazana azy ireo miainga eny anivoan’ny sekoly ka ireo mpianatra amin’ny ambaratonga faharoa rehetra no voakasiky ny tetikasa. Fanombohana ihany ny teny amin’ny CEG nanisana fa hiparitaka manerana ny nosy ny tetikasa izay mifototra amin’ny fanabeazana miainga any antsekoly hanohy sy hanamafy ny fikajiana ny tontolo iainana. Ny CEG nanisana no hatao fitaratra na « Pilot » amin’izany tetikasa green Action School izany ary efa mandray anjara ireo mpianatra amin’ny alalan’ity tetikasa ity. Efa nanao fanadiovana sy fanangonana fako, ny fandraharaha maitso, fambolenkazo ary fandokoana maitso sy fanentanana samihafa . nandritra io fotoana io ihany koa dia nanolotra boky hoan’ny CEG Nanisana maro koa ireo voakatra azo tamin’ny fanodinana ireo aokora plasika nangonin’ireo mpianatra ihany. Nanamafy ny tale lefitra eo anivon”ny fikambanana fa miasa hoan’ny tontoly iainana izy ireo ary mikendry ny hanentana ny mpianatra manoloana ny olana ateraky ny fovaovan’ny toetrandro fovaovana . an’ny mpianatra ny tetikasa hoy izy ary afaka mandray anjara araka izay tandrify azy ny rehetra ho famerenanan ny tontolo maitso. Ny boky izay nantolotr’izy ireo dia mirakitra torolalana momba ny fandraharahana maitso. Fampianarana manao zezika , fanaovana arina bio,ny fitantanana ny fako voarakitra ao anan’izany boky izany avokoa ireo.
Solotiana
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»