Mampiasa ny saritany avy amin'ny zana-bolana VIIRS NOAA-20 an'ny NASA maneho ny tebok’afo ny Ministeran’ny tontolo iainana manoloana izany, hetsika nanomboka afak’omaly 11 oktobra. Hanafainganana ny fandraisana fepetra amin’ny tranga doro tanety sy doro ala misy eto Madagasikara no antony nanaovana izany, hahafahana miaro ireo faritra arovana sy ny zava-manan’aina. Natokana hanaraha-maso ny tranga firehetana manerana izao tontolo izao ity zana-bolana ity, raha araka ny fantatra ary indrindra natao hisorohana ny fiitaran’ny afo amin’ny fampitana haingana ny tranga firehetana. Mampiasa ny capteur VIIRS ity satelita ity ary 375 metatra ny résolution spatiale azony, raha araka ny vaovao azo hatrany. Ampitaina avy hatrany amin’ireo tompon’andraikitra eny ifotony noho izany ny toerana ahitana ireo tebok’afo hanaovana fanamarinana mahakasika ny fisian’ny afo. Manetsika avy hatrany ny tompon’andraikitra isan-tokony eny ifotony sy ny fokonolona ny Ministera rehefa voamarina fa misy ny firehetana ary mandrindra ny famonoana ny afo ihany koa. Napetraka ihany koa moa ny laharana 955 eo anivon’ny Ministera hampitana haingana ireo trangan’afo.
Pati
Sary fanehoana
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny