airtel

Actualités

17-oct-2023

TENA MAFANA NY ANDRO

Mahazo vahana ny aretin-kibo, ny tazo, ny kohoka

Sample post image

Miditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny hafanana isika ankehitriny.

17-oct-2023

Ankoatra ny amin’ny atoandro manomboka amin’ny 11 ora iny dia mampitaraina sy mampikaikaika ny maro ny hafanana mandritra ny alina izay tsy ahitana torimaso mihitsy indraindray. Betsaka ireo karazan’aretina aterak’izany toy ny alerzia izay miteraka sery sy gripa amin’ny andro mamay. Toraka izany koa ny aretin-kibo sy ny kohoka ary ny tazo mahery. Mihabetsaka rahateo ny lalitra eny rehetra eny izay mitondra ireo karazana otrik’aretina miampita mankany amin’ny sakafo masaka ka miditra any am-bava avy hatrany. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpitsabo iray dia nihabetsaka tato anatin’ny tapa-bolana izao ireo olona marary tonga manatona azy ireny. Raha dimy isan’andro teo aloha dia lasa mahatratra 10 izany. Ireo voan’ny gripa sy ny aretin-kibo no tena betsaka izay tsy hanavahana sokajin-taona intsony fa lasibatra hatramin’ny ankizy madinika. Tsy misy afa-tsy ny fanaovana fitafiana mifanaraka amin’ny toetr’andro ihany, ny fisotroana rano betsaka avy nampangotrahana ary ny fihinana sakafo ara-pahasalamana araka izany no vahaolana natolony. Lohalaharana amin’ireny ny voankazo sy ny legioma. Tsy tokony hohadinoana ihany koa ny elo hiarovana amin’ny ranon’orana indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Tsiahivina moa fa nahatratra 27°C ny hafanana teto Antananarivo sy ny manodidina omaly Alatsinainy.


Pati
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap