Nanokatra ofisialy izany tany amin’ny Faritra Atsinanana ny Minisiteran’ny indostria sy ny varotra. Raha ny tatitra omaly, mizara roa ny taratasy fahazoan-dàlana na ny « agrément » ka misy ny an’ireo mpanondrana izay nahafeno ny lafiny teknika sy pitsopitsony ilaina amin’ny fikarakana mialohan’ny fanondranana nahafahana nahazo ny « agrément station ». Eo amin’ny 28 ireo mpandraharaha nahazo an’izay teo anivon’ny GEL (Groupement des Exportateurs de Litchis). Eo ihany koa anefa ny fahazoan-dalana ho an’ireo mpanangom-bokatra omen’ny Faritra, ka manodidina ny 900 eo izany tamin’ity. Nohamafisin’ny teo anivon’ny Minisiteran’ny indostria sy ny varotra, fa tena nahitana fihenana tamin’ity taona ity mitaha tamin’ny taon-daza izay nahatratra 1200. Tena kely sy tsy dia misy ny lodisia any ifotony raha ny hita nandritra ny andro voalohany tamin’ny fanokafana, raha ny tatitra sy fanazavana. « Kely dia kely ny vokatra noho ny antony maro : fiovaovan’ny toetr’andro, fahanterahan’ireo fitotra lodisia, fa indrindra ny tsy fahampian’ny orana, araka ny fanamarihan’ny eo anivon’ny CTHT izay mpanara-maso ny fivoaran’ny vokatra lodisia », hoy Atoa Isidore Razanakoto Tale Jeneralin’ny Varotra omaly. Tamin’ny taon-dasa, nanondrana 18 000 taonina teo isika fa amin’ity raha ny resaka nifanaovana tamin’ireo sehatra teknika manara-maso ny vokatra, dia mety mihena hatrany amin’ny 50% ny vokatra amin’ity taona ity, izany hoe : hita amin’izany ihany koa ny mety ho fihenan’ny fanondranana, hoy hatrany ny Tale Jeneralin’ny Varotra. Mazava ho azy, fa hisy fidinany ny vola vahiny miditra na ny « devises » entin’ny fanondranana lodisia avy eto Madagasikara amin’ity taona ity. Isan’ny fanatsarana an’ity sehatra ity moa ny fandrisihana sy tan-tsoroka amin’ny fanavaozana ireo fototra lodisia izay efa maro no antitra.
Toky R
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny