Etsy ankilany anefa, miakatra manaraka azy ihany koa ny “piratage de compte” ary ho entin’ireo olon-dratsy misoloky sy mamotika asan’olona maro. Inona ary ny fisorohana azo atao? Maro ny vahaolana ary ho zaraina aminao androany ny voalohany.
Ny teny miafina na “mot de passe” no varavarana voalohany ahazoana anao.
Tsara ho fantatra fa misy ny karazana “piratage par force brute”, izany hoe andramany daholo izay teny azo andramana rehetra. Fady noho izany ny mampiasa anaran’olona, biby, daty nahaterahana na zavatra misy heviny eo amin’ny fiainanao. Manarak’izany, mila misafidy teny lava (mihoatra ny 8 ny litera ao anatiny), ahitana litera kely (minuscule), litera lehibe (majuscule), isa (nombre) ary litera miavaka (caractères spéciaux). Araka ny fikarohana nataon’ny “Hive Systems” ny taona 2024, dia mandany 7 taona mahery ny maka ny teny miafinao raha voahaja ireo fepetra ireo, 1 volana monja kosa raha toa ka ny isan’ny litera ihany aza no ampidininao ho 7. Ny tena azo antoka hatreto dia ny mampiasa litera 14 noho ny mihaotra satria mandany 11 miliara taona vao azo ny teny miafinao. Voaaro ianao amin’izay na mampiasa solosaina maro be aza ny olon-dratsy.
Fehiny, aza atao ambanin-javatra ny teny miafina fa fiarovana ho anao sy ny asanao izany. Ho zaraina amin’ny fotoana manaraka indray ny fiarovana azonao atao hafa. Ka hisolo “compte” foana ve sa hitandrina amin’izay?
Mirary soa,
Hasina Rivonandrasana
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny