Amin’iny atoandro iny no tena mampahazo vahana izany izay efa mahatratra hatrany amin’ny 39°C mihitsy raha araka ny fanadihadiana natao. Mahatsiaro ho reraka sy tsy mahazo aina vokatr’izany ny rehetra ka lasa mamonjy toeram-pilomanosana kely. Ho an’ireo tanora sy ankizy eny amin’iny faritr’Itaosy, Bemasoandro sy ny manodidina iny dia fantatra fa marobe izy ireo no lasa milomano eny amin’ny tetezan’Ampasika. Eny ambony tetezana mihitsy ny sasany no misaoty mankany anaty rano, antony mampitangoron’olona eny an-toerana isan’andro. Zazalahy kely iray sahabo 14 taona araka izany no saika nilentika tsy nivoaka intsony rehefa nanao izany ny faran’ny herinandro teo. Tsy fantatra mazava na sempotra vokatry ny herin’ny rano nitsambikinany avy any ambony tetezana no nahatonga izany na natahotra ireo vatobe eny amin’ny sisin-drano nojereny avy eny ambony izy ka nahafaty lolo azy. Na izany aza avotra soamantsara ihany izy. Antso avo araka izany no hatao amin’ireo Ray aman-dReny manan-janaka lahikely eny amin’ireo faritra ireo mba samy hitandrina sy hanara-maso ny zanany. Tsy hananam-piry mantsy ny aina ka aleo mitandrina hatrany.
Pati
Tsy manana ben’ny tanàna voafidim-bahoaka I Moramanga Renivohitr’i Bezanozano, fa ben’ny tanàna mpisolo toerana napetraky ny fanjakana no misy.
Namoahana fampitandremana sy fampiomanana tamin’ny alalan’ny filazana loza manambana ny faritra maro amin’ny lemak’Antananarivo izay lalovan’ny reniranon’i Sisaony.
Andrasana indray moa ny fanazavan’ny tompon’andraikitra fa dia ankoatry ny fikorontanan’ny famatsiana herinaratra
Efa saika miomankomana amin’ny fankalazana ny fetin' ny mpifankatia indray ny rehetra amin’izao faramparan’ny volana Janoary izao.
Nivory maika ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC omaly hariva.
Niely omaly ny fisiana tranga tsy dia fahita tany Tafiankasika Ambilobe iny. Nisy mpivaro-kena iray nandeha nividy omby, nentiny tany amin'ny “abbatoire”