Tsy hay izay olany. Mbola tanora, fa nandalo de nahita. Nitsoraka avy eo amin’ny tetezan’i Tanjombato izy ! Fotoana fohy dia tonga ny mpamonjy voina. Tsy ela fa 20 minitra eo no nikarohana azy de hita ny vatany. Efa tsy misy aina intsony raha ny fijery azy. "Namono tena", raha ny filazan'ny nanatri-maso. "Nesoriny ny akanjony dia mbola nahavita nanofahofa tanana izy", hoy hatrany ireo nahita. Ny tatitry ny mpamonjy voina kosa naneho fa lehilahy 35 taona teo ho eo no latsaka an-drano teny Tanjombato ka niantsoan’ny mponina teo amin’ny manodidina ny Mpamonjy Voina. Tamin'ny 9h38 ny antso, tonga teny an-toerana 09h53 ary 15 minitra tao aorian’ny fikarohan’ireo mpisitrika no hita ity lehilahy izay efa tsy misy aina intsony.
Nangonin’i Toky R
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa