airtel

Actualités

03-mars-2025

Tetezan’i Tanjombato

Lehilahy iray indray no maty nitsoraka tao anaty rano

Sample post image

Tovolahy iray indray no maty tao amin’ny ranon’Ikopa omaly alahady 02 martsa maraina. «

03-mars-2025

Tsy hay izay olany. Mbola tanora, fa nandalo de nahita. Nitsoraka avy eo amin’ny tetezan’i Tanjombato izy ! Fotoana fohy dia tonga ny mpamonjy voina. Tsy ela fa 20 minitra eo no nikarohana azy de hita ny vatany. Efa tsy misy aina intsony raha ny fijery azy. "Namono tena", raha ny filazan'ny nanatri-maso. "Nesoriny ny akanjony dia mbola nahavita nanofahofa tanana izy", hoy hatrany ireo nahita. Ny tatitry ny mpamonjy voina kosa naneho fa lehilahy 35 taona teo ho eo no latsaka an-drano teny Tanjombato ka niantsoan’ny mponina teo amin’ny manodidina ny Mpamonjy Voina. Tamin'ny 9h38 ny antso, tonga teny an-toerana 09h53 ary 15 minitra tao aorian’ny fikarohan’ireo mpisitrika no hita ity lehilahy izay efa tsy misy aina intsony.
Nangonin’i Toky R

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap