Nomarihiny tamin’ny fanatontosana sonia fifanaraham-piaraha-miasa izany omaly, ho tombontsoan’ny rehetra. Ity tetikasa ity raha tsiahivina dia manampy amin'ny fampihenana maharitra ny tsy fahampian-tsakafo sy ny fahasalamana, ny tsy fitoviana ara-tsosialy ary ny lahy sy ny vavy amin'ny fanatsarana ny sakafo sy ny fari-piainan'ireo fianakaviana marefo an-tanàn-dehibe, indrindra fa ny vehivavy sy ny ankizy. Hanampy amin'ny fanatsarana ny fidiran’ny vokatra avy eto an-toerana, hampiroborobo ny fanjifana azy ary hanaparitaka ireo fomba fanao hatolotra amin'ny sakafo sy ny fahasalamana ihany koa ity tetikasa ity.Hiatrika ny tsy fitoviana ara-pahasalamana, sosialy ary lahy sy vavy, izay tena fototry ny tsy fanjarian-tsakafo ihany koa ny tetikasa. Hapetraka araka izany ny zaridainan-java-maniry ao amin’ny tokantrano marefo sy ny zaridainan’ny sekoly miisa 800 farafahakeliny manerana ireo Fokontany 192 mandrafitra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
Nangonin’i Pati
Legende : Vita omaly ny sonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny telo tonta
Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,
Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly
Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana
An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.
Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,