airtel

Actualités

14-mars-2025

TETIKASA LAC IARIVO- IVATO

Trano 65 tafo no tsy maintsy arodana

Sample post image

Nihena ho 65 isa raha voalaza ho 300 isa teo aloha ny trano tsy maintsy harodana

14-mars-2025

eny amin’ny Rond point Bani Ivato voakasik’ilay tetikasa Lac Iarivo. Mialohan’ny asa fandrodanana anefa dia hidina ifotony ireo teknisiana hanao fanadihadiana mikasika izany ka ho an’ireo tena tsy maintsy hiharan’izany dia hatsangana ao amin’ny Immeuble Ivato ny ivon-toerana hahafahan’izy ireo mitondra fitarainana. Nivoitra izany nandritra ny fihaonan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanana vaovao tamin’ireo mponina voakasik’ity tetikasa ity omaly Alakamisy 13 Martsa folakandro teny Ivato teny. Mandritra izany hoy ity tompon’andraiki-panjakana ity no hamaritana izay azo hanampiana ireo olona rava trano tsy manana tany intsony toy ny mety ho fanomezana trano sy tany azy ao anatin’ilay tetikasa Miarina ohatra hahafahany mivelona amin’ny asa fambolena sy fiompiana….Na izany aza dia fantatra fa tsy nahafa-po ny mponina ny fihaonana. Ho azy ireo mantsy dia ny familiana ilay tetikasa any amin’ny base millitaire ihany no tena vahaolana hanaovana ilay lalana lalan-jotra miisa 4 fa tsy fandrodanana. Na izany aza dia nisaotra ity tompon’andraikitra ity izy ireo nanaiky nihaona taminy taorian’ny fitokanana fanairana nataony ny herinandro lasa teo.
Pati
Legende : Mbola mangataka hatrany ny tsy handrodanana ny tranony ny mponina ao Ivato voakasik’ilay tetikasa !

 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

ady amin'ny kolikoly ny mpiasa

Card image cap
06-mars-2026

Miverina amin’ny laoniny ny tolona,

Card image cap
06-mars-2026

Niverina ofisialy ny fitrandrahana,

Card image cap
06-mars-2026

natokana ho an’ny sosialy na RSE

Card image cap
06-mars-2026

8 taona sisa navelan’ny voay

Card image cap
06-mars-2026

Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona

Card image cap