airtel

Actualités

22-janv-2025

Tetikasa « Lac Iarivo » tsy mangarahara

Naboridan’ny fiarahamonim-pirenena ny Fitondrana

Sample post image

Mitaky mangarahara amin’ny vola mivoaka, ny antsipirian’ny fifanarahana ary ny loharanom-bola mikasika ny

22-janv-2025

tetikasan’ny Filoham-pirenena « Lac Iarivo » ny Vondron'ny fiarahamonim-pirenena CCOC (Collectif Citoyens et des Organisations Citoyennes). Mitaky ny fanamarihana anatin'ny fotoana fohy ny maha zava-dehibe sy ny hamehana amin'ny fanatontosana io tetikasa io. Miantso ny parlemanta handray ny andraikiny amin'ny fanamarihana raha tena maika izy io. Mila misy fiatraikany amin'ny fiainam-bahoaka isaky ny Ariary mivoaka, hoy ny ampahan’ny fitakian’ny CCOC omaly 21 janoary 2025. Notsikafonin’ireo Fiarahamonim-pirenena fa tsy voasoratra tao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panintsiana na LFR 2024 sy ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2025 na LFI 2025 ny tetibola hoenti-manatanteraka ity tetikasa « Lac Iarivo » ity izay noventesin’ny Fanjakana tato ho ato, ka tafiditra ao anatin’io ny resaka Jet d’eau, hotely mitsingevana, toeram-pitsangantsanganana, toerana fanaovana fanatanjahantena, fanitarana làlana, bus électrique,... Miantso ny hamoahahana ny mangaraharaha mikasika io noho izany ny CCOC. Nolaniana manokana tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra ny 09 oktobra 2024. Vinavinaina ho vita alohan’ny volana aogositra, handraisana ny Fivorian’ny SADC. « Tsy hita soritra anatin’ny tetibolam-panjakana 2025, ary ny mifanohitra amin’izany aza ny voalaza ao satria tokony hihena 91% ny tetibola natokana hanatanterahana ny tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika », hoy ny fanambarana novakian-dRandriamanantena Miantsa avy amin’ny CCOC. Nametra-panontaniana iandrasana valiny mikasika ny vola hivoaka sy ny mari-drefy mifandraika amin’izany miaraka amin’ny famaritana ny fiantraikany mivantana amin’ny vahoaka noho izany ny CCOC. « Tokony handray andraikitra ny depiote hijery hoe : aiza ho aiza tsara ny laharam-pahamehana sy ny vokatra azo tsapain-tànana ho an’ny tombotsoam-bahoaka mikasika io tetikasa io. », hoy Rtoa Hony Radert. Miantso ny depiote handray fepetra haingana hijery ny mikasika io tetikasa io ny CCOC ka tena hijery izany sy hamoaka ny mangarahara ve ireo lazaina fa solombavambahoaka sa hiray tsikombakomba ? « Manadihadihady mikasika ny tetibolam-panjakana izahay. Volam-bahoaka io, tokony hazava foana ny fampiasana aza, tokony hisy fiantraikany amin’ny fiainan’ny daholobe. Mety holazaina indray izahay fa mpanohitra, ka tsy izany tsy hoe : hanohitra ny Fanjakana raha milaza an’izany. Tena any amin’ny hoe : misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny tsirairay, amin’ireo 80% lazaina fa mahantra ary tena mahantra be eto amin’ny Firenena. », hoy kosa Rtoa Razafimbelo Lily. Isan’ny notsikafonin’izy ireo ihany koa ny tsy fangaraharahana mikasika ny « Fond souverain » izay tsy fantatra mazava intsony fomba fitantanana azy. Endrika maneho sy mampiharihary fa tsy mandeha amin’izay laoniny sy tsy mangarahara ny fitantanana ny volam-panjakana, tsy voalanjalanja sy maty paika ny tetikasa sy ny fampiasam-bola fa manidintsidina arakaraka ny aingam-panahy,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap