airtel

Actualités

14-juil-2025

Thaïlandais sarona teny Ivato

Rubis mena 59,4g nasisika tany anaty fitombenana

Sample post image

Lehilahy iray teratany Thaïlandais no voasambotra teny amin'ny seranam-piaramanidina

14-juil-2025

Ivato ny faran'ny herinandro teo, raha saika hiondrana tamin'ny fiaramanidina ET852 ho any Addis-Abeba hizotra any Bangkok. Nisy fambara rehefa nandalo tamin'ny "body scan" izy io, ka hitan'ny zandary avy amin'ny ANAF (Autorité Nationale Anti-Fraude), nisy zavatra miafina tao amin’ny fitombenanany (rectum). Taorian’izany, nentina haingana tany amin’ny HOMI na Hôpital Militaire ilay olona, ka niaiky fa nitelina vato sarobidy. Niditra an-tsehatra ny Police des Mines sy ny manam-pahaizana avy amin’ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany. Namaritra izy ireo fa rubis mena 54, mitentina 59,3 grama no tao amin’ny vatan’ilay lehilahy, izay napetraka ho porofo tamin’ny "scellés" nataon’ny Douane. Nitohy ny sabotsy 12 jolay ny fanadihadiana, tao amin’ny Service des Renseignements et des Enquêtes de la Douane ao Antanimena, ka notanana atao andrimaso io teratany vahiny io. Tranga mampanontany tena momba ny fitaterana harena an-kibon’ny tany amin’ny fomba tsy ara-dalàna. Endrika maneho fa mety betsaka ny harem-pirenena mivoaka fa itony aloha no tratra. Raha kajy amin’ny vidin’ny "rubis rouge naturel", eo anelanelan’ny 1 000euros ka hatramin’ny 15 000euros isaky ny carat, dia mitentina 296,5 carats ny 59,3 grama. Araka ny tombana amin’ny tahan’ny fifanakalozana ankehitriny, izay manodidina ny 1 euro = 5 176 ariary, dia toy izao ny vinavina: Ambany indrindra: (296 500 × 5 176 = 1 534 684 000 ariary); Ambony indrindra: (4 447 500 × 5 176) = 23 020 380 000 ariary. Midika izany fa ny sandan’ireo rubis 59,3 grama dia mety ho eo anelanelan’ny 1,5 miliara ka hatramin’ny 23 miliara ariary, arakaraka ny kalitao sy ny fanamarinana ara-teknika. Mila mitrosa ve isika raha tena voafehy sy hain'ny Malagasy ary tsara tantana ny harem-pirenena?
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap