Nitifi-borona no nivoahan’io zazalahy kely io tao an-tokantranony. Rehefa voatifiny anefa ilay vorona dia latsaka tao anaty rano ka nenjehiny nalaina. Nilentika vokatr’izany ny anaolahy ka tsy nipoitra intsony mandrapahita ny vatana mangatsiakany omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora. Ilay zana-drano any an-toerana nanao ny fombafomba no nilaza io ora voatondro io no sady nanamafy fa lasan’ny lolon-drano ilay zaza. Na dia mafy aza ny aina misaraka dia faly sahirana ireo fianakavian’ity zazalahy kely ity nahita ny nofo mangatsiakany ho azo alevina any am-pasan-drazana ihany raha efa tena namoy fo tanteraka. Mila mitandrina isika rehetra manan-janaka madinika manoloana ny tranga tahaka izao. Ankoatra ny fitifirana vorona tahaka izao mantsy dia ahitan-doza matetika ihany koa ny famonoana ireny tanalahy na androngy ireny indrindra fa amin’ireo toerana mampanahy tahaka itony.
Pati
(Sary fanehoana)
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny