airtel

Actualités

06-mars-2023

Actualités

Toamasina Mampitaraina vahoaka ny solika mitapoka

Sample post image

Niverina ny solika mitapoka, raha ny vaovao voaray momba ny faritanin’i Toamasina. Fiara sy moto maro no voalaza fa efa simba vokatr’izany .

06-mars-2023

Velon-taraina ny mponin’i Toamasina. Efa niverina indray ireo toeram-pamokarana na “atelier” mpanao azy io . Misy “station service” efa miara-miasa mandray ny entana. Raha mbola tsy voasambotra ny tena atidoha amin’ity resaka solika mitampoka ity dia hitohy foana io, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Tsiahivina fa ny 27 septambra 2022 teo no nisy resaka farany momba ity toe-draharaha iray ity. Voalaza tamin’izay fa tobin-tsolika miisa 4 no nahitana solika tsy manara-penitra nanomboka ny 6 septambra 2022. Miisa 79 ireo fitsirihana natao. Nahatratrarana zerikanina 20 litatra miisa 26 feno solika na “gas oil” nalaina tamin'ny kamiao fitaterana na “citernes” ihany koa tao Vakinakaratra, izay nokasaina alefa tany Menabe saingy efa nogiazana. Tapohan’ireo olon-dratsy solitany na “pétrole” ireo solika ireo, ampiasaina ny “acide sulfurique” hanalana ny loko menamena amin'ny “pétrole’’ ka manimba ny maotera, hoy tamin’izay ny fanazavan’ny tekinisianina nanao fanadihadiana. Ny fanazavana fanampiny teo anivon’ny sampan-draharaha misahana ny solika eto amintsika na OMH ihany koa moa dia hoe tsy tokony hisy izany solika mitapoka izany satria vao midina ny sambo ny solika dia efa mandalo fitiliana. Mbola misy fitsirihana atao anaraha-maso izany koa rehefa voatsinjara eny amin’ireo tobin-tsolika izany. Mipetraka ny fanontaniana. Fomba ahoana izany no mbola hisian’izay hoe solika mitapoka izay ? Aiza no misy ny lavaka na mpandray tsolotra sy mpanome izany ? Tena lalina tokoa ve ny fanadihadian’ireo tomponandraikitra isan-tokony ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap