airtel

Actualités

09-mai-2023

Actualités

Toamasina Tsy voatsara ny 70%-n’ireo voafonja

Sample post image

Tsy voatsara ny 70%-n’ireo voafonja ao amin’ny fonjaben’i Toamasina. Misy amin’izy ireo anefa no efa nisazy 15, 20 ary 25 taona hany ka tena mahatsiaro mangirifiry.

09-mai-2023

Misy ireo efa narian’ny vady aman-janany sy ny fianakaviany mihitsy noho ny vesatra aterak’izany. Ankoatra io resaka fitsarana io dia mitaraina ihany koa ireo voafonja fa mijaly izy ireo amin’ny resaka foto-drafitrasa. Raha manodidina ny 350 eo ho eo mantsy ireo voafonja zakan’ny fonjaben’i Toamasina dia efa tafakatra 1.327 izy ireo no tazonina ao ankehitriny. Ho an’ireo voafonja vehivavy manokana dia mba afaka miaina kely ihany izy ireo saingy maizina ny efitrano noho ny tsy fisian’ny jiro. Ho an’ireo voafonja lehilahy kosa dia zara raha misy hatoriana amin’ny alina, misisika toy ny tsy olombelona intsony koa hanaovan’izy ireo antso avo amin’ny tompon’andraikitra. Raha araka ny vaovao farany azo moa dia efa miroso amin’ny fikarakarana ilay resaka fitsarana ny ministera foibe ankehitriny koa andrasana izay mety ho tohiny.
Pati
Legende : Efa feno tanteraka ny fonjaben’i Toamasina
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap