airtel

Actualités

16-oct-2025

TOAMASINA

Zazalahy kely 18 volana maty sempotry ny lakrimozenina

Sample post image

Zazalahy kely iray vao 18 volana

16-oct-2025

monja no fantatra fa namoy ny ainy sempotry ny baomba mandatsa-dranomaso tao Toamasina nandritra ny fitakiana ny tolona ho amin'ny fanovana natao tany an-toerana. Raha araka ny fantatra dia natsipin'ireo mpitandro ny filaminana tao anatin'ny lakoron'izy ireo izany ka niparitaka vetivety ilay fofona mahery vaika. Maty afaka andro vitsy taty aoriana moa ilay zaza. Efa kamboty Reny izy hoy ny vaovao. Manana anavabavy kely 7 taona kosa ka ny rainy sisa no mamelona azy mianadahy. Fantatra moa fa simba ihany koa ilay trano fivarotana amoron-dalana hany fiveloman'izy ireo vokatry ny sarovitaka nandritra iny tolona ity. Miantso sy mangataka fanampiana avy amintsika rehetra malala-tanana sy tsara sitrapo araka izany izy mianaka sisa velona mba hanarenany ny fiainany. Ny laharam-pinday 0389267609 misy (Mvola) no hahafahantsika mandefa izay voatsirambin'ny tanana ho an'ity fianakaviana ity.
Nangonin'i Pati
Légende : Ity ilay Zaza namoy ny ainy !

 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

ny miaramila sy tanora handoro toby mpihary herinaratra »

Card image cap
30-avril-2026

Tanora miisa 15 no indray

Card image cap
29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap