An-taonany maro no niandrasana ny politika mazava mikasika izany, raha ny fanehoan-kevitr’ireo mpahaitoekarena sy mpandinika fiainam-pirenena samihafa, saingy niaraha-nahita anefa ny zava-niseho fa tsy vitan’ny hoe nitotongana izay toekarem-pirenena izay fa potika tao anatin’izany koa ireo heverina ho orinasam-panjakàna hany sisa azo antenaina mbola tokony hanampy amin’izay fahafaha-manarina ny toekarena izay. Isan’ny voatanisa matetika ao anatin’izany ny orinasam-pitaterana ana habakabaka Air Madagascar. Eo koa ny orinasa Kraomita malagasy. Ny Telma, izay na dia lasan’ny sehatra tsy miankina mba nitazona ilay anarana hoe Telecom malagasy, fony izany mbola orinasam-panjakàna azy tena nanary hatramin’ilay anarana mihitsy. Toy ny angano sy nofy, etsy ankilany ny fisian’izany orinasa Solika malagasy na SOLIMA izany fahiny na ny hoe nanana banky azy taloha ny firenena malagasy. Mitotongana tsy mety tafarina intsony ny Ariary fa dia io Euro tsy mety tafalatsaka ny 5000 Ariary io intsony. Miroborobo ny fanafarana entana noho ny fanondranana. Hatramin’ny vary aza lasa lamaodin’ny fitondràna ankehitriny mihitsy ny manafatra azy raha toa ka rehareha hatramin’izay ny hoe «Madagasikara sompitry ny vary». Mitotongana ny fizahantany. Ringana sy may ny ala izay biraontsika, hoy ireo mpisehatra amin’izany tontolon’ny fizahantany izany. Maro tsy voatanisa ireo olana mitranga eto amin’ny firenena mikasika izay tsy fanjarian’ny toekarem-pirenena izay saingy ny azo ambara aloha izany hatreto dia izay hoe goavana ny fanarenana miandry.
J. Mirija
Tsy tomponandraikitra mivantana amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ny minisitry
Olona am-polony ny namoy ny ainy vokatry ny fahapoizana ara-tsakafo tamin’ny
Niamboho ny alahady 15 jona teo amin'ny faha 83 taonany i Pr Yvette Rabetafika,
Tsy nipetra-potsiny fa omaly ihany dia nidina ifotony teny Ambohimangakely,
Noraisina tetsy anivon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Anosy
Rehefa volana Jona tahaka izao dia tsy vitsy ireo te-hanatsara ny ao an-tokantranony ao.