Fantatra fa hifandimbiasan'ireo lehibe ao amin'io orinasa io hanaovana firaisana ara-nofo ireo vehivavy miasa ao aminy na andro na alina. Rehefa tsy mety hoy hatrany ilay mitaraina dia rahonany horoahina hany ka tsy afa-manoatra ny sasany fa manaiky.Ny fiainana rahateo sarotra. Manoloana ity tranga ity dia nanambara ny zandarimariam-pirenena fa zon'ny mpiasa rehetra ny mitaraina, mitoroka sy mitory, na mpampiasa teratany vahiny na teratany Malagasy no manao izany fihetsika mamoafady tahaka izany. Tsy azo ekena mihitsy hoy izy ireo ny fanaovana tsindry mba hanararaotana ny olona ambany fibaikoana, fiadidiana. Izany rahateo hoy hatrany izy ireo no antom-pisian'ny sendikàn'ny mpiasa ao anatin'ny toeram-piasana iray mba hiady ho an'ny tombontsoan'ny rehetra. Notsindrian'izy ireo moa fa ny tranga tahaka itony dia efa fandikan-dalàna voalazan'ny code_penal ka ny fahasahiana mitory sisa no andrasan'izy ireo hahafahany mandray ny andraikiny.
Pati
Légende : Mpiasa maro no miaina tsy rariny ety Behoririka ety !
Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"