airtel

Actualités

13-août-2024

TOERANA FANATOBIANA FAKO AO AMBOHIMIZANA

Efa madiva ho vita, kaominina 3 no hahazo tombontsoa

Sample post image

Ho afa-pahasahiranana ireo kaominina miisa 3 ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano

13-août-2024

amin’ny toerana fanariana sy fanatobiana fako. Efa madiva ho vita mantsy ilay foto-drafitrasa mifandraika amin’izany natsangana ao amin’ny Fokontany Ambohimizana, kaominina Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano izay famatsiam-bola avy amin’ny Maorisiana sy ny Eoropeana. Ankoatra ny biogaz izay ho azo avy amin’ireo fako voahodina ao an-toerana dia ho afaka hamokatra zezika karazany miisa 3 ihany koa ny fako ao Ambohimazana ao raha araka ny fanadihadiana natao. Tombony lehibe ho an’ny kaominina Fenoarivo manokana izany raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Bruno Solofoharimanana. Hamelona indray ny tanim-boasary ao Fenoarivo mantsy izany izay mamelona ankohonana maro izay hahafantarana sy mampahalaza an’Ambohijafy. Efa tsy mety intsony mantsy ny zezika amin’ireo tanim-boasary ireo. Ny GRET izay miara-miasa amin’ny kaominina araka izany no hitatitra ny fako amina toerana rehefa avy alaina any an-tokantrano ary taterina amin’ny fiarakely iray. Ho an’ireo kaominina hafa toa an’Ampitatafika sy Ambatomirahavavy ary Alakamisy Fenoarivo kosa dia samy hanana ny paikadiny izy ireo amin’izay fitaterana ny fako avy any amin’ny faritra misy azy izay. Fako an-taoniny isan’andro rahateo no ilaina ao amin’izany toerana izany.
Pati
Legende : Ao Ambohimizana Fenoarivo no misy ity foto-drafitrasa fanodinana fako ity !

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap