airtel

Actualités

08-déc-2022

Actualités

Toerana manoloana ny ORTM etsy Anosy Havadika ho toerana feno zava-maitso mahafinaritra

Sample post image

Toerana zary fanaovan’ny sasany maloto sy fanariana fako hatramin’izay ny manoloana ny ORTM etsy Anosy.

08-déc-2022

Handrenesana fofona maimbo hatrany vokatr’izany rehefa mandalo eny an-toerana izay nefa toerana tokony hahafinaritra. Nandray ny andraikiny ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina araka izany nanadio sy nanajary iny faritra iny mba hanovana izany ho toerana maitso mendrika ny tanàn-dehibe. Mbola hitohy anio Alakamisy ny asa ka hisy hatrany famefena sy fambolena voninkazo sy zava-maniry hanomezana endrika mahatehonina sy mahafinaritra iny faritra iny.Tanjona kendren’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina anatina hetsika tahaka izao moa ny hanentanana sy hitaiza ny olom-pirenena tsirairay avy handray andraikitra. Misy araka izany ny fiaraha-miasa amin’ny tompon’andraikitry ny Fokontany eny Ampefiloha sy ireo mpivarotra eny an-toerana, mba handraisan'izy ireo anjara amin’ny fikojakojana ilay toerana indrindra ny fanaraha-maso ny asa rehetra vao natao.
Nangonin’i Pati
Legende : Nirotsaka nanadio ny Minisitra tompon’andraikitra
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap