airtel

Actualités

23-oct-2025

TOETR'ANDRO

Niova ho forte tempête tropicale i Chenge

Sample post image

Tany amn’ny 1350 Km atsinanana somary

23-oct-2025

avaratra atsinanan’i Antsiranana no nisy ny foiben’i Chenge ilay rivo-doza, omaly Alarobia 22 Oktobra. Nitombo hery izy ka lasa Forte Tempête Tropicale, raha araka ny vaovao azo. Mahatratra 90 Km isan' ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra mahatratra 125 Km isan'ora. Nikisaka niakandrefana izy tato anatin’ny enina ora farany ka nahafaka 20 Km isan'ora. Mahazo hery hatrany ireo rahom-baratra miaraka aminy noho izany. Manohy ny diany miakandrefana moa i Chenge amin’ny ankapobeny ato anatin’ny dimy (5) andro manaraka. Na izany aza dia miharatsy miandalana kosa ny tontolo hivoarany manomboka anio Alakamisy. Handalo any amin’ny manodidina ny 200 Km avaratr’Antsiranana i Chenge ny Sabotsy alina na ny Alahady vao maraina ho avy izao.Hitondra rotsak’orana betsaka any amin’ny tapany avaratra atsinanan’ny Nosy ny rahona miaraka aminy manomboka rahampitso Zoma 24 oktobra 2025. Hiharatsy ihany koa ny toetry ny andro any an- dranomasina amin’ny morontsiraka avaratra sy avaratra atsinanana, ka hanonja be na hahery ny ranomasina. Tsy tokony hiandriaka intsony ireo mpanjono noho izany manomboka rahampitso Zoma hisorohana ny loza mety hitranga.
Pati
Légende : Mbola mamaritra ny toetr'andro eto amintsika ilay andro ratsy Chenge !
 

Dans la même rubrique

05-mars-2026

Iaraha-mahita amin’izao fotoana izao

Card image cap
05-mars-2026

Nanao ranty fampahafantarana

Card image cap
05-mars-2026

mbola afaka mianatra

Card image cap
05-mars-2026

Nanolotra 68 miliara Ar ho an’i Toamasina ny Fanjakana Japoney

Card image cap