airtel

Actualités

02-févr-2023

Actualités

Toetr’andro ato anatin’ny 5 andro Tsy atahorana hisy rivodoza handalo

Sample post image

Tsy atahorana hisy rivo-doza hahakasika an’i Madagasikara ato anatin’ny 5 andro ho avy raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby.

02-févr-2023

Mbola tsy fantatra kosa anefa ny aorian’ny folo andro ho avy. Na izany aza dia fantatra fa mbola tena miaina tanteraka ao anatin’ny fotoam-pahavaratra isika ankehitriny, tranga izay mbola hiainana mandritra ny roa volana eo ho eo raha kely. Mikasika ny rivo-doza Cheneso manokana moa dia fantatra fa nahatratra 33 isa ireo olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovany nanerana ny faritra 17 isa teto amintsika. Miisa 20 kosa ireo mbola tsy hita popoka hatreto raha miisa 34.114 ireo voatery nafindra monina tao anatin’ireo traboina miisa 90.000 mahery. Ankoatra ireto farany dia tranon-tsekoly miisa 493 ihany koa no rava. Mikasika ireo lalana simba manokana dia fantatra fa efa nisokatra sy azo hampiasaina ny ankamaroan’izy ireny. Tonga nanolotra fanampiana ho an’ireo traboina manerana ny Nosy teny amin’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC omaly maraina ny fikambanana groupement des organisations des societes civiles de Madagascar sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy.
Pati
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap