airtel

Actualités

01-mars-2023

Actualités

Toetr’andro mandritra ny herinandro Ho betsaka ny rotsak’orana amin’ny faritra maro…

Sample post image

Mbola misy fiantraikany amin’ny toetr’andro eto Madagasikara ny fandalovan’ny rivodoza Freddy izay namely an’i Madagasikara ny 21-22 febroary teo, izay niteraka voina maro arak’olona, ara-potodrafitrasa,....

01-mars-2023

Tsara moa no manamarika fa tao anatin’ny andro maromaro, nitondra oram-be tany amin’ny tapany Atsimon’I Mozambika sy ny Atsinanan’I Zimbabwe I Freddy.Tombanana hivoaka tsy ho el any ranomasin’I Mozambika, saingy mety hitondra oram-be ho an’ny faritra sasany eto Madagasikara. Ny fisian’ny sisan-drahona miaraka amin’ity andro ratsy Freddy ity ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika no hamaritra ny toetry ny andro hanomboka anio alarobia, raha ny tombana navoakan’ny Foibe Mpamantatra ny toetr’andro omaly. Tsy misy ahiana anefa ny mety hitombohan’i Freddy hery. Na izany aza, araka ny vina momba ny toetr’andro ho an’ny herinandro manomboka omaly 28 febroary hatramin’ny 5 martsa, dia mety hiteraka rotsak’orana betsaka amin’ny faritra sasany izy manomboka ny alakamisy izao, ka mila arahi-maso, hoy ny mpamantatra ny toetr’andro. Mifandray amin’ny sisan-drahona entin’i Freddy mantsy dia hiverina indray ny oram- baratra saika manerana ny nosy. Araka izany, hiverina indray ny oram-pahavaratra saika manerana ny nosy manomboka ny anio na rahampitso alakamisy. Tombanana ho betsaka kokoa ny rotsak’orana any amin’ny faritra avaratra andrefana, andrefana ary atsimo andrefan’i Madagasikara, raha ny tombana nataon’ny Foibe mpamantatra ny mety ho toetry ny andro hatrany. Hisy fidinana kely ny maripana ambony amin'ny faritra maro eto Madagasikara, ka manodidina ny 13 - 26°C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 24 - 35°C ny tolakandro. Entanina hiomana sy hitandrina hatrany ny rehetra eo anatrehan’ny mety ho fiakaran’ny rano ateraky ny rotsak’orana matevina mety hiseho. Ho an’ny teto Antananarivo Renivohitra, efa niverina nirotsaka ny orana omaly alina, na tsy dia natevina sy tsy naharitra loatra aza.
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap